Alahady 12 aprily 2020 — Alahady Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 28, 1-10 — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin'ny Tompo.

0 : 00

Miarahaba antsika mianakavy mankalaza izao Paka izao, dia ny nandresen’i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana, nandreseny an’i Satàna sy ny herin’ny maizina rehetra. Nandreseny ny fasana sy ny forongony. Foana ny fasana, tsy tao intsony ny Tompo, tafatsangan-ko velona Izy. Mazava ny lazain’ny Anjely tamin’ireo vehivavy tonga nitsirika ny fasana vao maraina fa tsy any amin’ny maty no hitadiavana izay velona. Voalohany amin’izany ny hoe : Esorina aloha ny tahotra. Raha vao miteny hoe fasana mantsy dia ny tahotra no loha lalana, tahotry ny handroso, tahotra ny maizina, tahotra ny razana aza ho an’ny sasany. Marihina etoana fa tsy ilay tahotra iriana ananan’ny rehetra, dia ny tahotra an’Andriamanitra izany ; fa ny tahotra mampihoron-koditra, tahotry ny hahasimba ny tena, tahotra mampikombona, tahotra feno “sao dia”.

Manaraka izany, tandremo sao diso lalana rehefa mitady Azy Tompo ka any amin’ny toeran’ny maty no itadiavana ny velona ! Efa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, efa niala tao am-pasana Izy, araka ny efa nolazainy mialoha ; koa tsy tsara ho antsika kristianina ny mbola mitady ny Tompo any amin’ny fasana sy ny forongony, toy ny manontany angatra na ny manoko sikidy… Fanampin’izany, nahazo iraka ireto vehivavy tonga nitsirika ny fasana ireto hoe : “Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy”. Ny vehivavy no nasaina nitory voalohany Azy Tompo tafatsangan-ko velona, hitory amin’ny mpianatra. Tsy azo hamaivanina, araka izany, ny vehivavy fa manana ny anjara toerany ato amin’ny Eglizy. Nohatsarain’i Jesoa tsikelikely ny fomba fiheverana ny vehivavy. Ny marina amin’izao androntsika izao dia tsy ny vehivavy ihany fa isika rehetra mihitsy no irahina hitory izany fitsanganan-ko velona izany ; fa atao ahoana moa no hanefa izany raha tsy ny tena no tena vonton’izany fitsanganan-ko velona izany ? “Ny valala tsy an-tanana mantsy tsy atolo-jaza”, araka ny fiteny ! Koa ny fiainantsika manontolo mihitsy no tiana haneho izany. Fa manoloana izany iraka izany ny mankahery antsika dia Izy Tompo tafatsangan-ko velona no mialoha lalana antsika amin’izay ataontsika sy izay alehantsika rehetra, na any an-trano, na any an-tanàna idirantsika ka mbola hanan-tahotra ihany ve isika e ?

Fa ankoatr’izany, amin’izao Paka izao, fanaontsika ny mifampiarahaba tsarovy anefa fa Izy indray aza no miarahaba antsika mialoha, manao hoe : Arahaba amin’ity andro ity. Arahaban’Izy Tompo tafatsangan-ko velona izany, miantefa amintsika rehetra, ka vao mainka manentana antsika hiroso lalin-dalina kokoa amin’ny finoana. Raha tsorina dia hoe : ny maneho an’i Jesoa tafatsangan-ko velona no tokony hahamaika antsika izao fa miara-dalana amintsika amin’izay atao rehetra Izy, ka aza roahina intsony amin’ny fahotantsika indray. Enga anie ho Paka foana ny fiainantsika manontolo andavanandro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...