9 nôvambra 2024 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fankalazana — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)
Ry mpihaino hajaina, mankalaza ny fitokanana ny Bazilikan’i Latran ny Eglizy anio. Katedraly voalohany manerana ny tany, io no Renin’ny Fiangonana tao Roma. Fanaovana ny batemy isaky ny alin’ny Sabotsy Masina ary nandray ireo Konsily Eokomenika dimy lehibe.
Amin’ity soratra masina ity no ahitantsika an’i Jesoa tao anatin’ny fahatezerana mafy: nandroaka ireo mpivarotra sy ny biby amam-borona hiala ny tempoly, nazerany ny latabatra, nararany ny volan’ny mpanakalo. Fa nahoana? Mazava ny tenin’i Jesoa: “Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”. Nahatezitra an’i Jesoa loatra ny fampiasana ny tempoly tsy araka ny tokony ho izy. Lasa toeram-pifanankalozana ara-barotra fa tsy toerana hivavahana intsony. Noho izany tsy voahaja intsony ny toerana ka mety lasa tsy manampy amin’ny vavaka noho ireo tabataba sy fivezivezena miseho. Ka ny soratra masina eto dia mamporisika antsika mba hampiasana tsara ny Fiangonana araka ny tokony ho izy.
Nisy ireto endri-barotra ireto tao an-tempoly satria misy ireo biby sy vorona izay namidy hatao sorona. Efa tandindona sahady ny fandroahana nataon’i Jesoa fa ny tena ho sorona lavorary dia tsy biby amam-borona intsony fa ny tenany mihitsy. Gaga moa ireo izay nahita ny fihetsika nataon’i Jesoa ka nahatonga azy ireo nangataka famantarana ny antony nahatonga Azy nanao io fihetsika io. Valiny hafa mihitsy no navalin’i Jesoa, valiny izay sarotra ho an’ny Jody satria mahakasika indrindra ny fanoloran-tenan’i Jesoa hanao sorona ny ainy. Tsy nisy nahazo izany raha tsy efa nitsangan-ko velona Izy. Ny mpianany no nahatsiaro voalohany fa tanteraka izay nolazainy ka nino ny Soratra Masina sy izay voalazany izy ireo.
Ry mpihaino hajaina, miorina amin’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ny Eglizintsika. Tsy nisy ny fankalazana ataontsika isaky ny alahady raha tsy nitsangana Izy araka ny didiny hoe: “Manaova izany ho fahatsiarovana ahy” Lk 22, 19. Nanorina ny Eglizy Izy ary nomeny ny apostoly ny hitantana izany, hanohizany hatrany ny famonjena antsika. Anisan’izany fitohizan’ny asa nataon’i Jesoa izany ny fisian’ny Bazilikan’i Latran satria toerana misy ireo dimbin’ny apostoly dia ny Papa Ray Masina. Aoka ary isika hampiasa tsara ny toerana izay nomen’Andriamanitra antsika, hihaonantsika Aminy, hiderantsika Azy ary indrindra hankalazantsika ny famonjen’ny Zanany antsika.
Ry Ray ô, enga anie mba hahay hampiasa tsara ny tempoly izahay, ahafahanay manomana ilay toerana lavorary indrindra hiarahanay aminao. Amen.