3 nôvambra 2024 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Ry mpihaino hajaina, ny loha-hevitra izay atolotry ny Fiangonana amintsika anio dia mahakasika ny didin’Andriamanitra izay voafintina amin’ny teny tokana hoe: “Tiava”. Maro ny didy izay notanterahin’ny vahoaka Jody, noho izany indrindra no nahatonga ity mpanora-dalana nanatona an’i Jesoa ka nanontany Azy izay voalohany amin’ny didy. Mampametraka fanontaniana antsika ny fihetsika nasehon’ity mpanora-dalana ity satria izy ireo mantsy dia olona voasokajy ho mahay ny lalana Jody sy nanana adidy hampianatra sy hanazava ny lalana. Nahoana àry?

Fantatry ny Jody aloha fa rahefa mampianatra i Jesoa dia tsy tahaka ny mpaminany na ny mpanora-dalana fa tahaka ny manam-pahefana mihitsy (Mk 1, 22; Mt 7, 29). Ilaintsika ny fisokafana eo amin’ny fiainana, aoka tsy ho voasakana isika manoloana ny fahasamihafana, ny fiaviana, ny firazanana, indrindra ny fiangonana ivavahana. Resy lahatra ilay mpanora-dalana tamin’ny fampianaran’i Jesoa. Hoy izy: “Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra ary lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra ny tia ny namana tahaka ny tena”. Olona mahay ny lalana tokoa izy ka afaka nitsara ny valin-tenin’i Jesoa. Mba impiry isika no manome rariny ireo heverintsika ho tsy mitovy fijery na hevitra amintsika. Tsy mampandroso ny fiaraha-monina matetika ny fijerena miiba mandrakariva ireo heverina ho mpifanandrina amin’ny tena. Hita fa nitovy ny fomba fijery momba ny fampianarana ka mba nanome ny heviny ho an’ilay mpanora-dalana koa i Jesoa. “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao”.

Lehibe loatra ny fampianaran’i Jesoa. Nampitodika an’ilay mpampiana-dalana tany amin’Andriamanitra tokana Izy. Voalohany dia nampianatra azy mba hanaiky Izy. Ny mihaino mantsy midika hoe manaiky. Nampianatra azy hitia an’Andriamanitra sy ny namana amin’ny fiainany manontolo. Naharesy lahatra an’ilay mpanora-dalana ny fampianaran’i Jesoa hoe mitovy tanteraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Hitantsika ao amin’i Masindahy Joany fa “Mpandainga izay milaza ho tia an’Andriamanitra kanefa mankahala ny rahalahiny” (1Jo 4, 20), izay ataonareo amin’ireto madinika ireto dia ataonareo amiko (Mt 25, 40) ary izay mandray anareo dia mandray ahy (Mt 10, 40). Nasehon’i Jesoa amin’ny teniny eto, ny maha endrik’Andriamanitra ny olombelona dia ireo namana manodidina antsika izany.

Ry Ray ô, ho tsapanay hatrany anie fa tsy lavitra ianao fa miara-monina aminay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 9 desambra 2024

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...