19 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)

Mankahery ny mpianany eto i Jesoa mba tsy hatahotra hijoro ho vavolombelony amin’ny iraka hampanaoviny. Voalohany, izay hanaiky Ahy dia hoekeko koa izy; fa izay handà Ahy dia holaviko koa izy, hoy i Jesoa. Ry havana! Mamporisika antsika i Jesoa mba tsy hatahotra eo anatrehan’ny olona; ary mankahery antsika Izy mba ho sahy hijoro hanambara Azy Kristy Ilay Marina amin’izay atao rehetra. Tsy mora ny mijoro ho tena mpanaraka an’i Kristy. Satria dia tena mahasingo-tena tokoa indraindray ny manaraka ny ataony rehefa tena hiainana tsara. Ka mety ho azon’ny fakam-panahy isika tsy hanaiky an’i Kristy, tsy hanaiky ny fampianarany sy izay tena nataony ka mety ho tonga hatrany amin’ny fandavana Azy noho ny tombontsoa manokana sy ny tahotra ny fijaliana vokatr’izany. Eo ohatra ny tahotra ny tsy hahazo vola, ny tahotra ny ho very fahefana sy ny laza amam-boninahitra dia tsy sahy mijoro ho tena hanambara izay nampianarin’i Kristy. Mety tsy tsapantsika akory anie hoe fandavana ny ataontsika e, satria tsy miharihary sy tsy mivantana; nefa tena fandavana tokoa saingy amin’ny endriny vaovao sy tsy mivantana eo anatrehan’ny zava-misy mitranga; ka eo no ilàna fahamalinana sy fandinihana tsara. Koa mba tsy ho very fanantenana isika, satria fanantenana lehibe ho antsika rahatrizay amin’ny fitsarana farany ihany koa mantsy ity hambaran’i Jesoa ity, dia aleo manaiky an’Andriamanitra mandrakariva. Fa hoy Izy hoe: “Izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa” 1S 2, 30.

Faharoa, eo anatrehan’izany, dia fahotana lehibe tokoa, tsy ahazoana famelàna ny minia jamba, mikimpy tsy te-handray ny asan’ny Fanahy Masina. Izay no atao hoe miteny ratsy ny Fanahy Masina, hoy i Jesoa. Eo ohatra ny fampifangaroana ny finoana marina amin’ny zavatra tsy misy dikany, eo koa ny fanimbazimbana na fanosihosena ny Sakramenta noraisina ka tonga hatrany amin’ny fivadihana finoana mihitsy. Izany ihany koa no atao hoe fandavana an’i Kristy. Azo alan-tsiny ihany anefa isika raha mety diso hevitra ka manao tsinontsinona ny fampianaran’i Kristy, na mety koa tsy mandray Azy tsara fa mivaona amin’ny lalana tsy izy; saingy tsy azo alan-tsiny kosa isika raha mikimpy maso sy manidy fo eo anoloan’ny asa mahavariana ataon’ny Fanahy Masina, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiombonana misy eo anivon’ny Fiangonan’i Kristy isika. Koa fantaro tsara àry ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika fa asan’i Kristy izy ireny, eo foana Izy, sao dia tsy mahatsapa tena ka manao tsinontsinona ny asan’ny Fanahy Masina efa miharihary eo anoloantsika.

Fahatelo, esory ny tahotra fa ny olon’Andriamanitra dia tsy very mandeha sy tsinjoviny mandrakariva; satria hampombany ny Fanahy Masina. Izay no mampiavaka ny asan’Andriamanitra, tsy irery ianao. Izy Andriamanitra mihitsy no efa niteny tamin’ny alalan’i Moizy, toy izany koa tamin’i Jeremia mpaminany (Jr 1, 8), fa Izy Andriamanitra no homba an’izay vavolombelony amin’izay ataony rehetra. Hoy Andriamanitra: “Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Andriamanitra va? Koa andeha, fa homba ny vavanao Aho ary hanoro izay holazainao” Eks 4, 11-12. Ary tanteraka tamin’i Masindahy Piera ihany koa izany aty amin’ny asan’ny Apôstôly 4, 8.

Araka izany àry, aza matahotra ny hijoro ho mpitondra an’i Kristy Jesoa, hijoro amin’ny marina, eo amin’ny izay ataontsika rehetra fa Andriamanitra dia eo anilan’izay miankina Aminy mandrakariva.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...