18 ôktôbra 2024 — Masindahy Lioka, Evanjelista — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)

Ny nanirahana ny mpianatra roa amby fitopolo lahy no resahan’ny Evanjely amintsika anio. Tsara aloha no manamarika fa ireto roa amby fitopolo lahy ireto dia tsy ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy akory. Satria ny nifidianana ny roa ambin'ny folo lahy dia hita ao amin’ny Lk 6, roa ambin'ny folo izay tsy ahitana an’i Lioka ary ny nanirahana azy ireo dia ao amin’ny Lk 9. Ny roa ambin'ny folo lahy rahateo dia tarehimarik’i Israely, maneho ny foko roa ambin'ny folo amin’i Israely izay nofidian’i Jesoa ho vahoaka vaovao ary Jody daholo ireo. Fa ny roa amby fitopolo dia tarehimariky ny hafa firenena, dia ny jentily izany izay tian’i Jesoa ho voavonjy sy hanitarany ny fanjakan’Andriamanitra ihany koa ary tsy Jody ireo.

Ka i Masindahy Lioka, mpanoratra ny Evanjely fahatelo, ankalazaintsika anio, amin’ny maha grika azy, teraka tany Antiôkia; izany hoe tsy Jody izy, dia isan’ireo hafa firenena. Hita sahady araka izany ny maha zava-dehibe ny ambaratonga maro amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra izay asain’i Jesoa toriana eto. Ary Izy Jesoa mihitsy no loharano nipoirany: dia ny Apôstôly aloha, vao ireo mpianany roa amby fitopolo, izay vao ny hafa tsy manan-draharaha na fahefana. Sahala amin’ny hoe: ny Eveka, dia ny Pretra, izay vao ny sarambaben’olona.

Hafa firenena ireto irahin’i Jesoa ireto. Izany no milaza fa tena ilain’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra ihany koa ny hafa firenena, dia isika rehetra izao izany. Tsy manavaka Andriamanitra na iza na iza ary tsy manilika olona vonona hiara-miasa Aminy Izy. Ka ho an’izay voaantso àry, mandehana, hoy i Jesoa, manova ny fahasiahan’izao tontolo izao ho tonga halem-panahy, fa izany no ilana antsika. Izay no hambarany amin’ny hoe “zanak’ondry eo afovoan’ny ambodia”. Tsy tanteraka anefa izany raha mbola manaraka ny ataon’ny olona fotsiny isika, fa tsy maintsy mihataka aminy. Izany no mahatonga an’i Jesoa miteny hoe: “Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana”. Izany hoe tsy mifikitra amin’ny harena na ny fiahiana ny fiainana ary indrindra tsy mandany fotoana amin’ny zavatra tsy dia laharam-pahamehana. Ambaran’i Jesoa amin’ny hoe: “tsy miarahaba olona”. Tsy avonavona akory izany fa nandanian’ny Jody fotoana lavabe ny fanaovana akory lava amin’ny fomba fiarahabana tamin’izany. Avy eo adino eo ny tena zava-dehibe. Koa raha te-handresy ny haratsian’izao tontolo izao dia tsy manaraka ny fanaony fa mila mihataka aminy sy tsy manaraka ny fombany. Ny zavatra mitovy tsy mifandresy mihitsy fa vao mainka aza manampy trotraka azy.

Tsy azo atao anefa ny miolonolona fa tsy maintsy mifandray aminy satria olona no hanirahana. Ka amin’izany dia tsy adino ny anton-dia: dia ny fanasitranana ny marary na ny manafaka ny olona amin’ny ratsy sy ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra na ny fitoriana ny finoana an’Andriamanitra sy ny famonjeny. Samy irahin’Andriamanitra avokoa àry isika, koa hanehoy ny talenta anananao ny iraka hampanaovin’Andriamanitra anao toa ny nataon’i Masindahy Lioka.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...