17 ôktôbra 2024 — Alakamsiy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
Mitohy hatrany ny fitenenan’i Jesoa mafy ny Farisianina eto amin’ity Evanjelin’i Masindahy Lioka ity. Mihevi-tena ireo Farisianina fa mendrika kokoa noho ny razany. Kanefa rehefa dinihana ny ataony dia mitovy amin’ny nataon’ireo razany ihany ary vao mainka ratsiratsy kokoa aza ny nataony. Satria, ho azy ireo, rehefa manorina fasana ho an’ny mpaminany dia mihevi-tena ho manonitra ny hadisoan’ny razany; kanefa mitovy toe-panahy amin’ny razany ihany izy amin’izany. Mitovy ihany mantsy ny mamono sy ny manao fasana, satria samy mankatò ny fahafatesana. Inona moa no ilàna ny fasana raha tsy misy maty? Koa matoa manao fasana ho an’ny mpaminany dia mankasitraka ny fahafatesany ihany koa. Famonoana izany! Fa famonoana olona amin’ny fomba an-kolaka. “Aleo anefa vandana imaso toy izay vandana ivoho”. Izay no hilazan’i Jesoa azy hoe: “mila loza”. Ary tena loza tokoa; satria tsy maintsy mandray ny valin’ny asany, valin’ny nataony izay manao ratsy toy izany. Ny Soratra Masina anefa dia milaza fa tsy hihatra amin’izy ireo akory ny famaizan’Andriamanitra, amin’ny ireo Farisianina izany, raha toa ka tsy maka tahaka ny fitondran-tena ratsin’ny ray aman-dreniny izy; satria ny helok’izay nahitana masoandro, tsy hitsaran’ny Tompo an’izay naloaky ny kibony, raha tsy niray tetika taminy izy, na nanao ny fanaony.
Eto anefa dia mitovy amin’ny nataon’ireo razany ihany no nataon’ireo Farisianina sy ny mpanora-dalàna. Noho izany, hoy ny fahendren’Andriamanitra: “hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa ny ran’ny mpaminany rehetra”. Izany hoe tsy maintsy handray ny valin’ny asany izy ireo satria maka tahaka ny fitondran-tena ratsin’ny ireo razany. Ary Andriamanitra efa nilaza fa “hihatra amin’ny ratsy fanahy kosa ny sazy tandrifin’ny hevi-dratsiny; fa izy naniratsira ny olo-marina, sady nihataka tamin’ny Tompo. Fa na zovy na zovy manary ny fahendrena amam-pananarana dia voatendry ho amin’ny loza, ireto avy ireo loza: foana ny fanantenany, tsy mahavokatra ny fisasarany, tsy misy tombony ny asany, adala ny vadiny; izany hoe ratsy fanahy, mpiletra, ankangavavy sady ratsy fitondran-tena, feno haratsiana ny zanany ary voaozona ny taranany” Fah 3, 10. Ary efa voalaza koa fa “ratsy miafara mandrakariva ny taranaka tsy marina” Fah 3, 19. Ka iarahantsika mahita marina tokoa fa matetika ny taranaky ny ratsy fanahy dia tra-pahoriana sy fadiranovana.
Etsy andanin’izany, ny fanakanana ny olona ny fahalalana momba ny fivavahana sy ny famonjena, izay oharina amin’ny trano nohidiana dia nafenina ny fanalahidy, dia loza lehibe tokoa; satria mamarina ny olona any amin’ny fahaverezana. Mibahan-toerana nefa tsy mampanjaka ny marina ao amin’ny Fiangonana ohatra. Toetra ratsy tsy tian’Andriamanitra izany toetran’ny Farisianina izany matoa toherin’i Jesoa mafy eto.
Mety mahakasika antsika ihany koa izany. Ka mitaona antsika àry Andriamanitra mba tsy hanohy ihany koa ny ratsy efa nataon’ireo razana, ray aman-dreny teo aloha fotsiny na hisalovana ny famonjena ny hafa fa mba hiova famindra sy fiaina araka an’Andriamanitra handraisana ny tsodranony fa tsy ny loza na ny famaizana no azo.