14 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Mariky ny tsy finoana ny fangatahana famantarana. Kanefa, mitady famantarana mihitsy ireto vahoaka ireto eto; ary izany no hitenenan’i Jesoa mafy azy ireo hoe « taranaka ratsy ». Inona no antony? Ny antony dia noho ny nandroahan’i Jesoa demony moana ka nampitolagaga azy ireo; ka izany no hitakiany famantarana raha avy amin’Andriamanitra tokoa ny fahagagana nataon’i Jesoa na tsia, mba hinoany Azy tanteraka (and. 16). Tsy azo atao anefa izany satria maka fanahy an’Andriamanitra. Noho izany, hoy i Jesoa, dia tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany izy; ary ohatra tsara tsy azo lavina ho azy ireo koa ilay mpanjakavavin’i Sabà tonga avy lavitra hiaino ny fahendren’i Salômôna.

Tsy nanome famantarana hafa azy ireo i Jesoa, satria efa mahalala tsara ny Soratra Masina ireo ka tokony hahalala ny asan’Andriamanitra. Ary fantany tsara na i Jônasa na i Salômôna satria voarakitra ao amin’ny lalàna sy ny mpaminany ny momba an’ireo. Inona indray no homena azy mihoatra noho izany? Ka eo anatrehan’izany indrindra no hampieritreretan’i Jesoa azy ireo ny tokony hiovany sy hahatsapany ny tsy mety ataony. Satria diniho tokoa anie ny zava-misy e: tanànan’ny tsy mpino, izay atao hoe jentily, ny tanànan’i Niniva; ka olona tsy mino, tsy mpankatò an’Andriamanitra avokoa izany no tao. Nefa noho ny toritenin’i Jônasa indray mandeha fotsiny dia efa nampibebaka ny mponin’i Niniva manontolo. Toy izany koa ity mpanjakavavin’i Sabà ity, firenena tsy mpino i Sabà, tsy mpankatò an’Andriamanitra, nefa nandray avy hatrany ny fahendren’i Salômôna rehefa nahare izany. I Jesoa anefa dia efa famantarana lehibe lavitra noho i Jônasa sy i Salômôna fa tsy ninoan’izy ireo.

Fa maninona tokoa ireto vahoaka ireto no tsy te hahalala ny fisian’Andramanitra eo anivony nefa olona mahafantatra tsara ny tenin’Andriamanitra? Satria tsy mitoky afa-tsy ny lalàna sy izay efa fantany ihany izy ireo. Tsy misy jamba hoatra izay tsy te hijery sy marenina hoatra izay tsy te handre anefa. Araka izany, fanamelohana no miandry azy ireo amin’ny andro fitsarana, hoy i Jesoa. Ka amin’izay fotoana izay, tsy Israely intsony no hitsara ny firenena hafa izay tsy mpino fa ny firenen-kafa nihaino sy nandray an’i Kristy ary nitandrina ny teniny indray no hitsara an’i Israely, izay taranaka ratsy sy be marenina. Mivadika mihitsy ny rasa rehefa tsy mandray an’Andriamanitra sy tsy mety hibebaka.

Inona àry no tian’Andriamanitra ampitaina amintsika amin’izany? Dia izao: rehefa manatona an’Andriamanitra, midodododo manatona Azy, mitangorona eo anatrehany dia mila matoky tanteraka Azy fa tsy mitsapatsapa na maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fiandrasana fahagagana fotsiny. Finoana tsy izy ary fahadisoan-kevitra lehibe ho antsika efa mino ny mametraka an’Andriamanitra ho mpanao fahagagana fotsiny eo amin’ny fiainantsika. Tsy voatery hisy fiovam-piainana miharihary, hita maso eo no eo, vao hanaiky isika hoe miasa Andriamanitra. Efa miasa eo anivontsika isan’andro Izy, fa anjarantsika no mamantatra ny asany. Fanamelohana ho antsika raha mbola manome tsiny an’Andriamanitra ihany isika nefa milaza ho mpivavaka mafana fo.

Koa mila mahatsapa tena àry fa sao ny olona heverintsika fa tsy mpino, tsy mpivavaka, tsy kristianina indray no mandray an’Andriamanitra kokoa noho isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 9 desambra 2024

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...