13 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

Ry havana ! Manatona haingana an’i Jesoa eto ity lehilahy iray, toa efa dodona mihitsy, te haka toky aminy mba hahitany raha mety ny ataony na tsia mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. “Inona no hataoko, hoy izy, hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Tebiteby ao anaty mety mahazo antsika ihany koa ity fanontanian’ity lehilahy ity. Satria rehefa tena miezaka mitandrina tsara ny Didin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany dia toa afa-po ka manantena fa hahazo ny fiainana mandrakizay. Efa tena azo antoka tokoa ve anefa? Sa inona sisa no tsy ampy? Tsy mahatsapa ny fahalavorariantsika anefa isika raha tsy ao amin’i Jesoa, ao amin’Andriamanitra irery ihany. “Zavatra iray loha no tsy ampy aminao”. Izy Andriamanitra no mampahafantatra antsika an’izany. Izany no hanatonantsika mandrakariva an’Andriamanitra. Ary matoa tsy voalaza mazava eto ny anaran’ity lehilahy ity dia isika rehetra no tondroin’izany.

Ka eo anatrehan’izany indrindra àry no hampianaran’i Jesoa antsika ny làlana hahazoana ny fiainana mandrakizay. Mety efa ananantsika ny finoana an’Andriamanitra hany tokana manana ny fahatsarana tsy misy fetra; mety efa voatandrintsika tsara ny Didin’Andriamanitra amin’ny fanajana ny namana. Fa ny mety ho tsy ampy sy mandringa eo anatrehan’ireo kosa dia ny fahafoizana, indrindra ho an’ny mahantra, sy ny fanetren-tena noho ny harena. Raha tsy mietry, mihohoka ambany anefa tsy tafiditra amin’ny varavarana tery, ety; lazaina amin’ny hoe: “vodifanjaitra”, dia ny fanetren-tena izany.

Ka mety ho sakana mahatonga antsika tsy hahafoy sy tsy hanana fanetren-tena mantsy ny harena. Izay no nahatonga ny Ntaolo niteny hoe: “Ny harena toa ny volon’orona: be alana, maharary; kely alana, maharary”. Satria sarotra ny mahafoy ho an’ny hafa. “Izay itoeran’ny harena rahateo no itoeran’ny fo”, hoy i Jesoa (Mt 6, 21). Sakana tsy hidirana any amin’ny fanjakan’Andriamanitra anefa izany. Inona àry no hatao? Ahoana no fomba iainana eo anivon’ny haren’izao tontolo izao? Hoy i Jesoa mamaly izany: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra” Mt 5, 3. Ka ny mahantra am-panahy izany no toetra ilaina. Ahoana izany? Dia izay sady tsy miraiki-po amin’ny vola aman-karena no tsy miavonavona; fa manana, mahay mamehy tena; tsy manana, mahay mandefitra.

Koa mampalahelo ireo manan-karena am-panahy, satria tsy hahafantatra ny hasambarana any an-danitra, toa an’ity lehilahy ity. Ny manan-karena am-panahy, hoy i Masindahy François de Sales, dia ireo mametraka ny harena ao amin’ny fanahiny, na ny fanahiny ao amin’ny harena. Ny mahantra am-panahy kosa dia izay tsy mametraka harena mihitsy ao amin’ny fanahiny, na ny fanahiny ao amin’ny harena. Ohatra amin’izany izao ny hoe: tsy mitovy velively ny manana poizina sy ny voapoizina. Ny mpivaro-panafody manana ny poizina rehetra hampiasaina araka ny toe-java-misy ilana azy, nefa tsy voapoizina velively. Fa ahoana? Satria ao an-tranombarony ny poizina fa tsy ao amin’ny vatany. Toraka izany koa, mety hanan-karena ianao, nefa tsy voapoizin’izany, raha ao an-tranonao na any an-kitaponao ny harena, fa tsy ao am-ponao.

Koa raha manan-karena àry ianao, tandremo ny fonao tsy hifikitra aminy, fa hahafehy azy tsara hatrany, ka na eo anivon’ny harena aza izy, sady tsy manan-karena no tompon’ny harena. Aoka io fonao natao hahazo ny lanitra io, tsy ho revon’ny fananana ety an-tany.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...