24 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)

Mila manao dingana isika kristianina amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy. Tsy ampy velively ny faharahan-dia Azy araka ny seha-piainana misy antsika sy ny safidim-piainana ahafantarana antsika fa mila tonga hatrany amin’ny fiombonana aina amin’i Kristy isika; mila mifandray aminy toy ny mpiray tampo aminy: rahalahy na koa anabavy ary ho ray aman-dreny.

Amin’alalan’ny fikolokoloana ny fahaiza-mihaino ny Teniny no fepetra voalohany ahatongavana amin’izany. Miteny amintsika isan’andro Izy ao amin’ny Evanjely, koa asaina isika hihaino Azy fa izany no endrika anehoantsika ny toe-tsaina maha zanak’Andriamanitra, ka hitiavan’ny Ray antsika ao amin’i Jesoa Kristy.

Mila iainana ihany koa anefa izany Tenin’Andriamanitra izany. Io no fepetra faharoa takian’i Jesoa amintsika. Tonga lafatra ny maha fianakavian’i i Jesoa Kristy antsika satria miteraka fiombonana sy fifampitokisana ny fihainoana sy fiainana ny Teniny.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...