23 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Tsy atao salobon-komana na oviana na oviana ny Evanjely fa natao hotoriana hatraiza hatraiza; tsy natao hotazonina na koa ho an’ny ankohonana irery ihany fa mila toriana eo amin’ny manodidina satria mitondra fahazavana amin’ny làlan-kizorana, mitondra fahamarinana ary fiainana.

Mitondra fahasoavana ho an’ireo olona iantefany ny Evanjely toriana, ka mampahatonga ny tsirairay hisokatra amin’ny fiainana ety an-tany ary indrindra amin’ny fiainana mandrakizay no sady mahay mitia ny hafa. Vao mainka hahazo tombontsoa be dia be ireo manana ny fahasoavan’Andriamanitra satria nisokatra handray an’io fahasoavana entin’ny Evanjely io. fa ho fatiantoka sy ho fadiranovana izay tsy izy kosa ireo nandà ny handray an’io fahasoavana io.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...