8 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Rentsika tamin’ny Evanjely teo fa rehefa avy nitety tany maromaro i Jesoa dia tany amin’ny amoron-dranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly. Fanasitranana ilay lehilahy anankiray sady moana no marenina no ambaran’ny Evanjely eto. Rehefa nentin’i Jesoa nitokana ity lehilahy ity, dia nositraniny tamin’ny fihetsika telo: nangaroniny ny sofiny, nasiany rora ny lelany ary niteny Izy nanao hoe: “Efetà, misokafa” ka nisokatra ny sofin’ilay lehilahy ary nivaha ny fatoran’ny lelany. Sitrana araka izany ilay sady moana no marenina teo, ka gaga ny vahoaka.

Aretina ara-batana no nahazo ilay lehilahy nositranin’i Jesoa. Fa tian’i Jesoa ampitaina lavidavitra kokoa eo ny aretina ara-panahy mahazo ny olombelona, indrindra manoloana an’Andriamanitra. Ny vahoaka Israely ohatra, dia sady moana no marenina tamin’ny tsy fanekeny ny didin’Andriamanitra ka nanompoany andriamanin-kafa. Velon-taraina koa mazana ireo mpaminany tamin’ny fotoan’androny fa tsy namaly ny antson’Andriamanitra tamim-pahamarinana sy fahatokiana ny vahoaka.

Te-hanohina ny fon’ny olombelona i Jesoa. Ny fahasitranana ara-pinoana no tiany ahatongavana lavidavitra kokoa. Mihoatra noho ny fanasitranana ara-batana ny fanasitranana ara-panahy. Ny fifohazan’ny finoana no tena fahagagana, ary tokony havaozina isan’andro izany. Mila fanasitranana isika, satria matetika no moana tsy afaka mitory ny Vaovao Mahafaly ary marenina tsy afaka mandre ny Vaovao Mahafaly ihany koa. Ny fihetsika nataon’i Jesoa nentina nanasitrana ilay lehilahy moana sady marenina dia ampiasain’ny Eglizy amin’ny fanomezana ny sakramentan’ny batemy. Sokafana ny sofin’ny atao batemy handre ny Tenin’Andriamanitra ary kasihina ny vavany mba ho afaka hanambara ihany koa ny Tenin’Andriamanitra.

Angataho amin’ny Tompo mba hanokatra ny fontsika ho Azy sy amin’ny manodidina antsika, ary ny mba hanomezan’Andriamanitra antsika ny hery ahafahantsika manambara ireo zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...