Talata 07 aprily 2020 — Talata masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38 — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak'ondry bonaika hovonoina.

0 : 00

Mihantomotra ny andro fankalazana ny Paka, nefa kosa dia mirakitra ny zavatra rehetra hitranga sy hiseho eo amin'ny fiainan'i Jesoa no ambaran'ny Vaovao Mahafaly androany. Fantany mialoha ireo olona izay hamadika azy eo amin'ny fiainany, anisan'ny voasongadina ato i Simôna Piera sy i Jodasy Iskariota. Izy mirahalahy ireo tokoa ilay nivadika tamin'Andriamanitra, nivadi-belirano tamin'i Jesoa, tamin'ny alalan'ny fandavana azy, nefa kosa ny toetran'i Jesoa dia toetran'Andriamanitra : tsy mba manao an-dolompo ary tsy mba miandry kendry tohana amintsika olombelona.

Ry kristianina havana ! Mba impiry tokoa moa isika tsirairay avy io no namadika an'i Jesoa, na nivadi-pitokisana taminy. Misy tokoa ny olona, amin'ny alalan'ny finoany, amin'ny alalan'ny zavatra rehetra izay ataony dia sahy mamadika ankitsirano ny Fiangonana na ny finoana. Tadidio anefa fa ny mpiara-miasa aminao, ny mpiara-mivavaka aminao, ny vady aman-janakao ao an-trano, ireny rehetra ireny no azonao ivadihana ary mety ho voafitakao amin'ny alalan'ny teny mamy, na amin'ny langolango, na amin'ny teny tsara rindra sy voalahatra ; fa Andriamanitra tsy ho voafitakao mandrakizay, fa Andriamanitra marina, ary marina mandrakizay.

Amin'izao andro izao àry, isika mianakavy, dia samy mba mandinika ny toetrantsika tsirairay avy, ilay toetra marefo mora mivadika amin'Izy Andriamanitra Ray, ilay toetra miovaova tsy mahatana ny teny nomena. Tadidio tsara fa misy voka-dratsiny mandrakariva izay toetra mora mivadika amin'Izy Andriamanitra Ray izay, ary amin'izay fotoana izany no ho tanteraka ilay fomba fitenin'ny Malagasy hoe : "Zana-tsorohitra amoron-dalana, tsy narian-dreniny fa nanary tena". Aleo tokoa hono enjehin'ny omby masiaka toa izay enjehin'ny eritreritra. Isika ihany no ho voan'ny ataontsika raha mivadika amin'Izy Andriamanitra Ray. Eny, fa na dia tsy sitrak'Andriamanitra àry ny hahavery antsika, dia isika no manosika ny tenantsika ho any amin'ny afobe raha tahiany ka isika no tsy miraharaha an'Andriamanitra. Manao izay saim-pantatra nefa mahalala ny fisian'Andriamanitra sy ny fahasoavany, fa indrindra ny fitiavany antsika mianakavy. Jesoa ô, ny herin'ny teninao anie, hanova ny fiainanay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...