4 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)

Ry kristianina havana; misy fihetsika mahate hidera ataon’i Jesoa amin’ireo marary. Eo amin’ny rafozambavin’i Piera izy MIONDRIKA ary mandidy ny tazo hiala amin’ny marary; amin’ny marary hafa indray MAMETRA-TANANA amin’izy tsirairay avy. Izany no famonjen’Andriamanitra antsika e: miondrika, tsy mitazam-potsiny na mijery lavitra fotsiny fa miondrika eo ary mametra-tanana. Dia ireo mihitsy moa ny fihetsiky ny Pretra rehefa manome Sakaramenta ny marary. Tsiahivontsika eto ny tenin’i Izaia 53 hoe nitondra ny rofitsika sy ny aretintsika ny Tompo ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika. Mahavonjy izay manatona Azy am-pinoana i Jesoa Kristy. Aza misalasala miantso Pretra rehefa misy marary fa irak’Andriamanitra sady tanan’Andriamanitra mitsotra manasitrana ireny.

Mitohy ihany koa ny fandroahana demony miaraka amin’ny fanasitranana marary maro hafa. Tsy mamela hipetraka ny Evanjely. Mampianatra antsika i Jesoa mba ho maimay hamonjy fanahy. Mijaly ny olona ankehitriny, marary, mahantra, miraviravy tanana. Mila mpamonjy, mila famonjena, mila vavolombelona mitory fanantenana. Miandry antsika ny olona ary matoky antsika Andriamanitra.

Na dia teo aza ny fikasan’ny olona hitazona an’i Jesoa dia lasa ihany Izy nitory ny fanjakan’Andriamanitra tany amin’ny tanàna hafa. Tsy mianina fotsiny amin’izay fahombiazana hita sy fahafaham-pon’ny olona fa miroso hatrany satria mbola maro ny ondry ivelan’ny vala mila mpiandry. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...