2 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Ry kristianina havana; ny evanjelin’i MdLioka no vakina andavanandro manomboka izao herinandro 22 mandavantaona izao. I Jesoa ilay toa manome tombom-pitia ireo ahiliky ny fiarahamonina toy ny mpanota, ny ankizy, ny marary… Manomboka ny asany i Jesoa. Sinagoga, andro sabata ary Soratra Masina: ireo tontolon’ny fivavahana jody ireo koa iaingan’i Jesoa satria Izy no ilay Mesia fahatanterahan’ny fampanantenana hatrany aloha. Nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina Izy tamin’ny Batemy ary nirahiny hamonjy.

Indrisy anefa fa ilay olombelona ara-batana ihany no hitan’ny olona: zanak’i Josefa, avy any Nazareta. Hany ka tsy masina an-taniny ILay mpaminany lehibe, tsy nohenoina, nokasaina novonoina aza. Mila mihoatra ny ara-batana raha te hahatakatra an’Andriamanitra.

Rehefa mandà ny olona, rehefa manohitra ny olona, raha toa ka tsy mangetaheta ny olona, tsy afaka manao na inona na inona Andriamanitra. Tsy afaka ny hanao amboletra Izy, tsy afaka hanery na dia sitrapony aza ny hamonjy. Antso no ataony. Aoka hangetaheta famonjena isika fa izany koa no fanirian’Andriamanitra. Isika mangetaheta, isika noana, isika maniry fatratra no fepetra iray ahafahan’Andriamanitra miasa. Ka rehefa maniry Azy isika dia manokatra ny fontsika honenany. Dia tanteraka ny famonjena rehefa anjakany isika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...