5 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Ry kristianina havana! Tsy mitsahatra manao ny iraka nampanaovin’ny Ray Azy i Jesoa, ka raha ny fitohizan’ny Vaovao Mahafaly hatrany aloha no zohina dia hita taratra izany amin’ity aroson’ny Eglizy mba hiainantsika sy hodinihintsika anio ity. Eto mantsy dia tanterahin’i Jesoa ilay voalazany tamin’ny mpianany hoe: “Raha enjehina amin’ny toerana iray ianareo dia mifindrà amin’ny toerana hafa satria tsy hahatety an’izao tontolo izao ianareo mandra-pahatonga ny Zanak’olona”. Raha nejehina mantsy i Joany Batistita dia toy ny nenjehina koa i Jesoa, satria i Joany no mpialoha lalana an’i Jesoa. Na izany na tsy izany, hita taratra koa eto ilay tenin’i Jesoa hoe: “Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy”, satria dia mila famonjena ary mangetaheta fahafahana ny olona. Hany ka na i Jesoa aza eto dia tonga amin’ilay fitenenana hoe: “Mialà sasatra, mitaoma zezika”. Tsy misy na dia ny fotoana hialana sasatra sy hivavahana aza noho ireo vahoaka manara-dia Azy hatraiza hatraiza. Tsy mionona anefa i Jesoa eo anatrehan’ny iraka ampanaovin’ny Ray Azy raha tsy vita an-tsakany sy an-davany izany ary tanterahiny am-pitiavana sy amim-panetren-tena.

Ny fampitomboana “ny mofo dimy sy ny hazandrano roa” mba hamahanana ireo vahoaka marobe nian-dahy niam-bavy ary nomban-jaza tany an’efitra, dia tsy sanatria akory natao ho fanindrahindrana ny fahefan’i Jesoa sy ny heriny. Fa ny tena tian’i Matio ambara amintsika mba hiainantsika izany koa eo amin’ny fiainana dia ilay toe-po amam-panahy nanentana an’i Jesoa hampiasa ny fanomezam-pahasoavana rehetra nomen’Andriamanitra Ray mba hanatanterahany ny iraka nankinina taminy. Tsy inona io toe-po amam-panahy io fa ny “fangorahana”; ny fananan’i Jesoa fo mangoraka dia taratr’ilay fangorahan’Andriamanitra Ray izay tia ny hahavelona ny olombelona rehetra na aiza izy na aiza. Vao omaly isika no nandray ny fampianarana avy amin’i Jesoa momba ny Mofo velona nidina avy any an-danitra dia tsy iza fa Izy Tenany ao amin’ny Eokaristia, entin’ny Ray hamelomana antsika fa zanany isika ka velominy isan’andro. Fanampin’izany dia hisarihan’i Jesoa ny saintsika koa ny tokony hahaizantsika mifampizara; ka tsy hoe ny ambim-bava no zaraina na hoe mitady zavatra hafa ankoatra ny misy hozaraina, tsia fa ny ifampizarana dia ny ananana.

Eo amin’ny fiainantsika andavan’andro no tsy maintsy hizarantsika manao izany: tsy maintsy miezaka isika manova ny fontsika ― izay mazàna manao fo vato, tsy hita mafana tsy hita mangatsiaka ― mba ho lasa fo mahay mangoraka sy mihantra ny olona rehetra, ny mpifanolo-bodirindrina amintsika, ny mpiray tanàna sy ny mpiray Fiangonana amintsika, indrindra moa fa ireo mahantra sy tra-pahoriana maro, toy ny nataon’i Jesoa. I Jesoa mantsy dia mijery sy miahy ary maneho fitiavana antsika amin’ny lafiny maha olona manontolo mihitsy. Tokony hilofo koa isika hiala amin’ny hakamoana sy ny tsy firaharahana ny hafa izay matetika vato misakana antsika tsy te hisahirana na mahatonga antsika tsy hijery ny hafa.

Ry Jesoa Fiainana ô, ampio izahay ho mpitondra fahasoavana sy fankaherezana hatraiza hatraiza, ka ho tia sy hangoraka ireo namanay rehetra mila an’izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...