22 jolay 2024 — Masimbavy Maria Madalenina — Fety — Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana. Ny fasan’i Kristy velona no nahitako sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)

Evanjely voalahatry ny Eglizy amin’ity andro ankalazana ny fetin’i Masimbavy Marie Madeleine ity ny Evanjely henontsika teo: « Mitantara ny fihaon’i Jesoa tafatsangan-ko velona taminy, fihaonana vokatry ny finoany sy ny fitiavany ary ny zava-dehibe nataon’i i Jesoa azy. » fa azo lazaina koa hoe: mamintina ny fiainantsika, ny maha isika antsika tojon’ny fitiavan’Andriamanitra, io zava nisy io. I Marie Madeleine, ilay vehivavy mpanota, nitoeran’ny demony fito (Jo 8, 3) nandevozin’ny filan-dratsy fa novonjen’i Jesoa sy navelany heloka. Ary rahefa nibebaka dia tsy nahafoy an’i Jesoa, nanara-dia sy nanompo Azy. Nividy zava-manitra izy hahosotra ny fatin’i Jesoa ary tonga nitsirika voalohany ny fasana nilevenany. Ary farany dia nisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona.

Hitantsika amin’io tantaran’i Masimbavy Marie Madeleine io fa misy dingana ny fiainana, misy fomba itantanan’Andriamanitra ny fiainan’ny olombelona tsirairay avy mba hizorany amin’ny lala-marina. Mpanota avokoa isika, sahala amin’i Marie Madeleine, samy gejain’ny fahotana, voafatotry ny fahazaran-dratsy mihitsy aza fa rahefa tojo ny indrafon’Andriamanitra dia mila miova, mila mihavao ary tsy miverina amin’ny ratsy natao intsony. Ny indrafo dia mariky ny tena fitiavana. Ary ny hafantarana fa tia ilay notiavina isika, dia tsy mamerina intsony ny hadisoana natao taminy. Izany no tokony ho fombatsika sy fiainantsika kristianina isaky ny mikonfesy isika.

Fa ny dingana faharoa ateraky ny indrafon’Andriamanitra dia fanarahan-dia an’i Kristy; izany hoe: maneho amin’ny tenantsika sy fombantsika an’i Kristy. Ka maka tahaka ny nataony, mankatoa ny fampianarany ary mitia toy ny nataony. Ny indrafo dia manova antsika ho tsara sy ho mendrika eo anatrehan’Andriamanitra sy manoloana ny mpiara-belona amintsika. Ka ny voalohany amin’izany dia ny fahaizantsika mihavana sy mifandray amin’ny olombelona rehetra, mitandro sy miaina ny rariny sy ny fahamarinana fa eo koa ny fiainana ny maha iraka, hizara sy haneho amin’ny hafa ny fiainam-baovao sy ny hafaliana netin’i Kristy tafatsangan-ko velona.

Mpanota isika fa tsy very anjara amin’ny indrafon’Andriamanitra ary nataony mpiombona anjara amin’i Kristy tafatsangan-ko velona toa an’i Masimbavy Marie Madeleine; koa enga anie ho feno fitiavana toa azy mba havelona antsika ao amin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...