21 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tonga avy namita iraka ireto mpianatra ka manatona an’i Jesoa. Iraka azo lazaina fa namokatra satria ireo vahoaka nanirahina azy ireo, araka ny Evanjely teo, dia toa tsy te hisaraka aminy, maro no mifamaivoy, te handre azy ireo mandrakariva. Vokany, rentsika teo, fa tsy nisy fotoana nihinana ny mpianatra. Eo indrindra no indrindra i Kristy no miantso ny mpianany hitokana sy hiala sasatra. Io fihetsika nataon’ny mpianatra tamin’i Jesoa io dia mbola mitohy mandrakariva ao amin’ny Eglizy, azo lazaina fa tsy misaraka amin’ny fiainany mihitsy aza. Antony dia satria tsy tompon’ny Eglizy ireo irahina, tsy tompon’ireo ondry andrasana fa nomena andraikitra fotsiny ihany. Ary izay hefa sy tontosa dia ilana fanohanana sy fanatsarana mandrakariva. Moa tsy izany va no ataon’ireo tompon’andraikitra, filan-kevitra isan’ambaratongany rahefa tonga ny mpitsidika?

Rahefa nantsoin’i Jesoa ny mpianany, hitokana any amin’ny tany mangingina dia maro ny vahoaka no nahita ny nandehanany ka nidodododo namonjy azy ireo ary tonga talohany aza. Fomban’ny kristianina io rahefa nahazo sy nomena izay manampy ny fiainam-panahiny izy, fa mety ho fankam-panahy koa ho an’ny tompon’andraikitra. Henontsika teo fa rahefa tonga talohan’i Jesoa sy ny mpianany tany amin’izay nitoerany ny vahoaka dia i Jesoa mihitsy no nangoraka azy ireo. Izany hoe: nampianatra sy nanome izay nampangetaheta azy. I Jesoa irery no ilay mpiandry ondry tsara, azo antoka, mahay mangoraka, miaro sy manafaka ny ondriny ary azo arahina dia. Izy no ilay mpiandry ondry tia sy mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; ondry izay tsy mahita izay lalana hombana, ondry miaina ao anatin’ny tebiteby sy ahiahy, ondry very fanantenana ka tsy mahita fiadanam-po. I Jesoa, mpiandry ondry tsara no miantsoa antsika isan’andro hoe: “Mankanesa aty amiko ianareo rehetra mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo Aho, ento ny jiogako ary mianara amiko… dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo”. Mt 11, 28-30.

Jesoa mihitsy no mampanantena fiadanana ho an’ireo manatona azy. Io fiadanana io no tena zava-dehibe ambony, sady tanjona no fiainana, ho antsika ondrin’Andriamanitra. Koa adidin’ireo manana andraikitra ao amin’ny Eglizy ny mitarika ny olona hanatona an’i Jesoa, tompon’ny fiadanana. Ary adidin’ny kristianina koa ny manamafy ny fifandraisany amin’ilay Mpiandry azy, dia i Jesoa izany. Ao amin’ny Eglizy, maro ireo nandray iraka manokana: hampianatra, hitory, hizara fahasoavana ary hitarika ny maro mba hanorenana fiainana araka an’Andriamanitra, hanamafy ny finoana sy ny fiombonana. Toy nataon’ireo mpianatra nofidin’i Jesoa. Fa isika rehetra, noho ny Batemy dia natao haneho an’i Kristy, haneho ny fiainany, maka tahaka Azy ilay tonga hanafaka amin’ireo mangeja ny olombelona ankehitriny, hamonjy ireo tra-pahoriana. Tsy amin’ny teny atao ihany anefa fa amin’ny fiainantsika manontolo, amin’ny ohatra omentsika ary indrindra amin’ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra sy ny fanatanterahantsika ny toky natao taminy.

Jesoa ô, tafio herim-pon’Apôstôly ireo nofidinao sy nanankinanao ny Eglizy, tsy hisatry fanahy hampianatra sy hanoro ary hitarika ny ondrinao hivondrona ao Aminao. Ary izahay rehetra, aza avela ho kamboty fa omeo mpitantana mandrakariva, ary ataovy liana handre ny fampianarana sy ho tonga any amin’izay toerana ahitanay Anao.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...