20 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)

Mitohy ihany ny fifanolanan’i Jesoa sy ny Farisianina: fanasitranana amin’ny andro sabata. Noho “i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata, ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy”. Rehefa tsy tiana ny olona iray dia miandry kendritohina ka mitady ny fomba rehetra hahavoazana azy, vita hatramin’ny mikatsaka handaboka ny ainy aza. Esorina izay manelingelina. Moa tsy fialonana ve izany e. Kanefa namonjy aina i Jesoa eto, nanao ny aina ho ambony ka tsy nahatanty izany ireto Farisianina dia nivoaka ka “niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy” Tsy mahatanty resy. Misy Farisianina amin’ny endrika vaovao koa ankehitriny ka rehefa tsy mahatanty resy dia manao izay hahavoazana ny mpandresy, eny hatramin’ny famoanoana azy aza. Fisomparana ny aina izany ka tsy mety. Fialonana mamohehitra izany ka mampidi-doza. Aoka isika hitandro ny hasin’ny aina mandrakariva eo amin’izay atao. Averina ihany fa tsy antsika io aina io, ny aintsika olombelona indrindra no tian-kambara eto, fa avy amin’Andriamanitra, fanomezana avy aminy ka sarobidy mihoatra ny anakandriamaso, mila kojakojaina sy tiavina fatratra.

Soa ihany fa fantatr’i Jesoa izany fikasana ratsin’ireto Farisianina izany, satria Izy mahalala ny ao am-po tsy miloaka, ka niala teo. Ny fiainana ialan’i Jesoa toy izany tena tsy manjary. Miaraka aminy aza indraindray sahirana, maika moa tsy eo izy, amin’izay vao tena loza. Rehefa tsy manjaka mantsy i Jesoa dia misosoka haingana ny Ratsy ka manjary fahavoazana iray lavaka ny fiafarany. Tsarovy mandrakariva fa tanjon’ilay Ratsy ny hisintona antsika ho any andavaka miaraka aminy mandrakizay ka aza omena hirika izy na kely aza. Aoka ny mifanohitra amin’izany no hahamaika antsika dia ny hampanjaka an’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika manontolo ka manao izay fomba rehetra hitazonana Azy, izany hoe: mifady ny fahotana mba hanatonana Azy akaikikaiky kokoa, iombonana tanteraka aminy ho tena iray aminy mandrakariva.

“Maro ny vahoaka nanaraka Azy”. Notohizan’i Jesoa ny famonjena noefainy hany ka “nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny” Aleo manaraka Azy mba hahazo famonjena, fanasitranana, toy izay any an-kafa. Isan’ny vahoaka manaraka Azy isika noho ny Batemy noraisintsika ka aoka tsy ho olon-kafa na zavatra hafa intsony no arahina fa Izy irery ihany. Tsy atao ampisehosehoana na fizahozahoana anefa izany fa mangingina, amim-panetren-tena. Araka ny nataony eto: “norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy”. Misy mantsy amintsika vao manao zavatra kely dia efa ireharehana, iantsoana ny “haino, vaky, jery!” Tsy sahy manao zavatra raha tsy imasom-bahoaka. Azo lazaina fa tsy tena mpanara-dia Azy Jesoa ireny olona ireny. Fa raha mpanara-dia Azy dia tsara arahina izay nataony. Modely mantsy Izy. Tandremo àry sao tsy mahay maka modely Azy.
Tanteraka ao amin’i Jesoa izay voalazanin’ny mpaminany, ny Soratra masina. Fa tanteraka ao amintsika tokoa ve ny adidy takian’ny batemy noraisintsika?

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...