Sabotsy 04 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 45-56 — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ; amereno hafaliana avy amin'ny vonjinao.

0 : 00

Ry kristianina Havana, miresaka vondron’olona roa tsy mitovy eto ny Vaovao Mahafaly : andaniny, ireo mino an’i Jesoa, ankilany kosa ireo tsy mino. Dia jereo fa tsy mitovy ny fihetsika asehon’ireo eto. Ho an’ireo tsy mino, tonga teo ihany izy, fa ny anton-diany dia ny hitsikilo ny nataon’i Jesoa, ary avy eo, lasa nitati-bolana tany amin’ny Farisianina. Ny vokatr’io dia ny fikonokononana hamono an’i Jesoa. Mampanontany tena antsika izay hoe : inona tokoa no manosika antsika ho any am-piangonana ? Raha hitsikilo, hanameloka, hanakihana, hamono Fiangonana no hiafarany. Tandremo àry sao manana fahazarana amin’izany isika na mamboly toetra mitovy amin’izany ! Ho any am-piangonana ihany fa tsy finoana no mibaiko, hany ka vao mahita zavatra tsy mety iray dia tati-bolana no mahamaika fa tsy fandrosoana vaha-olana. Ny hiafaranao raha izany, dia ny hamono Fiangonana. Izay ho an’ireo tsy mino !

Fa ho an’iretsy mino kosa manao ahoana ? Dia henontsika tamin’ny Vaovao Mahafaly teo fa ho avy ny Pakan’ny Jody izay fety hiakaran’ny olona rehetra. Ka, ny resaka hifampiresahan’ireo dia hoe : dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy ? Maneho amintsika mianakavy izay hoe : rehefa tena mino, tsy mahazo aina raha tsy mahita an’i Jesoa ary mangetaheta te hahita Azy. Amin’ny fomba ahoana no hahatanterahan’izany amin’izao vanin’andro hiainantsika izao ? Dia tsy inona fa amin’ny alalan’ny vavaka sy fandraisana Sakramenta. Noho izany, mitovy amin’ny ireo olona te hahita an’i Jesoa ho avy hamonjy ny fety isika rehefa mandeha any am-piangonana ka entanin’ny fitiavam-bavaka sy ny hetaheta te handray Sakramenta.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...