Zoma 03 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 31-42 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

0 : 00

Vao manomboka eto amin’ity Vaovao Mahafaly ity, dia zavatra mampihoron-koditra no hita. Maka vato hitoraha an’i Jesoa ny Jody. Ny antony dia efa fantantsika tamin’ny Vaovao Mahafaly omaly fa vokatry ny tsy fahazoana sy ny tsy finoana ny voalazan’i Jesoa io. Eto izao i Jesoa, mbola miala nenina miteny sy te hampita fampianarana amin’ireo hoe : “be ny asa soa nasehoko taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no hitorahanareo ahy ?”. Dia mbola tsy nino ihany ireo, vokany : niala teo Jesoa ary lasa mihitsy Izy nankany andafin’ny Jordany ka tany Izy no nampianatra, ary maro ny olona no nino Azy.

Ry kristianina Havana, ny mahamaika tokoa matetika dia ny manameloka sy mitora-bato. Izany hoe, ny olona rehefa feno fankahalana dia mora ho azy ny manaratsy, tsy mihaino intsony ary tsy mahita tsara intsony amin’ny hafa ka tsy manan-tsaina afa-tsy ny hihazakazaka hitora-bato tahaka ny nataon’ireto Jody ireto an’i Jesoa. Koa, tandremo àry ny fankahalana be fahatany ataontsika eny amin’ny fiaraha-monina eny ; eo ihany koa ny fanakahalana atao amin’Andriamanitra rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapontsika ny zava-misy. Ary ny faharoa dia hoe : rehefa tsy mandray an’i Jesoa ho ao am-pontsika, ho eny amin’ny fianakaviana, ho eny am-piangonana isika, dia tahaka ny misao-bady tanora, ka manome zara ho an’ny hafa, izany hoe ny fahasoavana tokony ho antsika dia lasan’ny olon’kafa, tahaka ny nataon’i Jesoa eto, lasa Izy nankany andafin’ny Jordany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...