4 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 1-8)
Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany
nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy:
“Matokia anaka, fa voavela ny helokao.”
Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:
“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”
Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:
“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana ety an-tany
hamela heloka”,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:
“Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”
Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.