1 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:

“Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;

fa hoy i Jesoa taminy:

“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...