30 jona 2024 — Alahady Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Tamin’izany andro izany,
dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy”.

Dia nandeha niaraka taminy Izy
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.

Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpitsabo maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:

“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho”.

Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:

“Iza no nanendry ny fitafiako?”

Ary hoy ny mpianany taminy:

“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”

Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:

“Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao”.

Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”.

Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.

Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory”.

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talità, komy”

izany hoe:

“Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna”.

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra,
fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...