11 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao, tsy azo afenina izay tanàna miorina eo antampon-tendrombohitra, miantefa aminao mpino izany teny izany ao anatin’izao vanim-potoana sarotra izao. Izao no tokony tena hijoroana ho tena kristianina hanara-dia ny Tompo fahazavan’izao tontolo izao, mijoroa amin’ny fahamarinana. Torio i Jesoa Kristy amin’ny manodidina anao fa tsy misy famonjena afa-tsy aminy irery ihany. Tandremo ny fitondran-tena mba tsy ho azon’ny fankam-panahy. Moa tena fanasina tokoa va ianareo mba ho fitaratra eo amin’ny fiaraha-monina, ho fahazavana. Ny andininy faha-16: aoka hazava eo imason’ny olona toy izany ny fahazavan’izao: mba ahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny rainareo any andanitra.

Ambaranao aminay ry Jesoa ny tena tokony ho toetranay kristianina, mbola tsy ampy anefa ny herinay raha tafasaraka aminao sy tsy manana anao izahay, koa tafio herim-po hijoro ho fanasina sy fahazavanao mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...