1 jona 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
ka nilaza taminy hoe:
“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”
Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:
“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”
Dia izao no navaliny an’i Jesoa:
“Tsy fantatray.”
Ary hoy kosa i Jesoa:
“Izaho koa,
tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”