12 mey 2024 — Alahady fahafito Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
Ry havana, vavak’i Jesoa Mpisorona no misongadina eto amin’ity Evanjely ity. Mitodika amin’ny Ray i Jesoa, mivavaka sy mitalaho ho an’ireo mpianany. Kanefa tsikaritra fa tsy voafaritra sy tsy voatanisa mazava tsara eto ny anaran’ireo mpianatra lazainy, ankoatra ireo Apôstôly efa fantatsika. Ny filazany Azy dia hoe : “izay nomenao Ahy”. Iza ireo nomena Azy ? Dia ny mpianany. Ny atao hoe mpianatra anefa dia izay rehetra mino ka manara-dia an’i Jesoa. Araka izany, dia tsy ho an’ny Apôstôly irery ihany no hitalahoan’i Jesoa amin’ity vavaka ity fa ho an’ny olona rehetra mino sy manara-dia Azy ihany koa ; dia isika kristianina tsy ankanavaka izany.
Mivavaka ho antsika rehetra i Jesoa amin’ny maha-Mpisorona Azy. Mitalaho amin’Andriamanitra Izy mba hiombona sy harovana isika. Fa maninona tokoa moa i Jesoa no mangataka izany amin’Andriamanitra ? Fa tsy azony atao ve ny mampiombona antsika sy miaro antsika fotsiny amin’izao amin’ny maha-Andriamanitra Azy ? Vitany dia vitany tokoa ny mampiombona sy miaro antsika. Fa ny tiany hampitaina amintsika dia hoe masina ny fiombonana ka mila harovana fatratra. Ka hambarany fa niombona sy tsy nisaraka tamin’ny Andriamanitra Ray mandrakariva Izy tamin’izay nataony rehetra. Izay no nitenenan’i Jesoa hoe “izay nomenao Ahy” dia notahiriziko tamin’ny Anaranao. Izany hoe avy amin’Andriamanitra ireo no nomeny an’i Jesoa ary i Jesoa kosa nitahiry azy ireo tamin’ny Anaran’Andriamanitra. Toy izany koa ny hoe “nomeko azy ny teninao”.
Fiombonana avokoa no asehon’izany. Fiombonan’i Jesoa sy ny Ray. Izany no milaza amintsika fa tena sarobidy amin’Andriamanitra ny fiombonana ka tokony hiainantsika. Satria maneho ny fisian’Andriamanitra eo amintsika. Ka manafoana ny fisian’Andriamanitra ny olona tsy miombona sy ny olona tsy tia fiombonana. Tsy tanteraka anefa izany fiombonana izany raha tsy miombona amin’Andriamanitra. Satria Izy no miaro antsika amin’ny ratsy. “Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, hoy i Jesoa, fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy”. Misy foana mantsy ny ratsy mpampisaraka. Ary tsy eny amin’ny habakabaka isika no miaina fa eo anivon’ny olona ; ny fahasamihafana ihany koa tsy ilaozan’olana. Noho izany, dia mila ny fiarovan’Andriamanitra isika mba tsy ho resin’ny ratsy. Izany no mahatonga an’i Jesoa mitalaho ho antsika.
Koa ny handavorariana izany rehetra izany dia ny vavaka. Satria amin’ny alalan’ny vavaka no mahatonga antsika ho masina sy marina. Ary ny olona miaina ny fahamasinana sy ny fahamarinana no afaka miombona. Koa aoka isika hivavaka lalandava toa an’i Jesoa Mpisorona, fa Izy aza Andriamanitra mbola nivavaka. Mainka fa isika olombelona. Ka ohatra ho antsika i Daniela Mpaminany : fa noho ny vavaka intelo isan’andro nataon’i Daniela no niarovan’Andriamanitra azy tamin’ny liona ka tsy naninona tsy naninona akory izy (Dan 6, 11.23). Toy izany koa, nony avy nivavaka tao anaty fiombonana ny Apôstôly dia feno ny Fanahy Masina ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana na dia teo aza ny fanenjehana (Asa 4, 31).
Mahereza àry mivavaka fa ny VAVAKA no mampiombona.