3 mey 2024 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

Mankalaza an’i Masindahy Filipo sy Jakoba Apostoly isika izao sady Zoma voalohany ny andro ka manoro antsika toe-panahy sahaza an’izany i Jesoa be fitiavana sy indra fo ao amin’ny Evanjely, manetry tena ho lalana sy fahamarinana ary fiainana ho antsika Izy. Tsy hoe manoro fotsiny Izy fa tena niainany izay nolazainy, ka aoka ho tahafintsika izany. Ho raisintsika tsirairay izany:

  • Lalana: diavina, andehanana, itsahana, izorana, mitondra mankany amin’ny Ray iombonana. Lala-mahitsy sady mazava fa tsy miolakolaka. Ka tandremo sao diso na very lalana isika fa aoka hizotra aminy hatrany ka ho azo antoka fa ho tonga any amin’ny tanjona.
  • Fahamarinana: I Kristy ilay hany marina, iraky ny Ray sy mpanambara lavorary indrindra Azy. Matetika izy miteny hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo…”. Tsy misy lainga na fitaka aminy na kely aza. Ka isika koa aoka ho marina toa Azy na amin’ny tena na amin’ny hafa, na amin’ny teny na amin’ny atao, na amin’ny asa na amin’ny fitafy, na amin’ny fotoana na amin’ny fifandraisana. Satria ny marina dia marina ihany fa tsy misy marina tapany izany.
  • Fiainana: aina ivelomana. Nahazo ny Ain’Andriamanitra isika raha vao vita Batemy ka natao ho velona sy ivelomana izany Aina izany. Adidintsika ny mamelona sy ny mitandrina Azy tsy ho faty. Ny fanahintsika tsy ho velona raha tsy eo io Aina avy amin’Andriamanitra io ka tokony mahamaika antsika handray ny sakramentan’ny Batemy izany fa fahavoazana iray lavaka raha toa ka tsy mandray io Batemy io, indrindra moa ny tena efa lehibe vatana kanefa tsy misy Ain’Andriamanitra, manjary olonolom-poana fotsiny amin’izao. Vao mainka mibaribary izany amin’ny fandraisana Komonio satria omeny ataontsika sakafo mihitsy ny Tenan’Izy Jesoa dia ny Eokaristia ka rehefa mankalaza ny Eokaristia isika, izay ivo sy tampon’ny vavaka dia hahatsapa fa mamerina indray ilay sorona teo amin’ny hazofijaliana nanolorany ny tenany dieny mialoha ny alakamisy masina izany, izay namoronany io sakramenta io. Aoka hahamaika antsika ny handray Komonio sy ny hivelona aminy. Tsy ampy mantsy ny mandray Azy fotsiny fa entina miaina amin’ny fiainana andavanandro Izy ho aina mamelona antsika. Fo vonona anefa entina mandray Azy.

Mazava ny lazainy eto: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”. Koa aza mitady lalan-kafa na olon-kafa ianteherana hitondra any amin’ny Ray afa-tsy Izy. Aza miala na mivoaka amin’ny lalana nosoritany fa Izy ihany. Izy ihany mantsy Ilay Andriamanitra maty fa nitsangan-ko velona ka tsy misy ambony na lehibe noho Izy. Amin’ny alalany no hizorantsika mankany amin’ny Ray, izay antom-pisiantsika eto sy tanjona hiafarantsika. Izy Ilay Zanaka lahitokan’ny Ray, nirahiny hanavotra antsika sy hitondra antsika ho any aminy. Marina sy azo antoka ny fampianarany, tsy misy isalasalana na kely aza. Manohy mampianatra sy miaina izany ny Eglizy naoriny.

Zoma voalohany izao ka vao mainka miredareda ny fo amam-panahintsika handray Azy hamelona antsika sy handrehitra hatrany ny afom-pitiavany efa ao amintsika hatramin’izay.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...