30 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 27-31a)
Mahakasika ny fiadanan’i Jesoa ny sombin’Evanjely teo. Averin’ny pretra mandrakariva ny tenin’i Jesoa mamela sy mizara ny fiadanany ho antsika isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika. Koa mahazo ity fiadanana lazaina eto ity izay miaina ny Eokaristia araka izany. Nomeny fanomezana tsara isika noho ny fitiavan’i Jesoa antsika, dia ny fiadanany izany. Tsy tiany hijaly na ho ory isika ka namelany izany. Tsy misy tsy mikatsaka fiadanana mantsy isika olombelona, eny hatramin’ny mpangalatra sy izay heverin’ny olona ratsy indrindra aza fa tsy mitovy matetika ny fiadanana katsahina fa samy manana ny azy. Tsara ho marihina ety am-piandohana fa tsy ilay fiadanana mandalo fotsiny, tsy ilay fiadanana manana izatsy sy zaroa, toy ny trano be valo zoro miorina etsy sy eroa, fiara amin’ny karazany maro sy nivoaka farany lafo vidy, tany atsy sy ary, vola be any amin’ny banky, biby fiompy betsaka sy fambolena tsy hita pesipesenina, ny fiadanana navelan’i Jesoa ho antsika io. Fa na ananana aza izany rehetra izany mety tsy hampiadana velively fa mbola eo ny tahotra sy ahiahy isan-karazany, eo koa ny fitaka; izao ihany koa: tsy ilay fiadanana azo rehefa tonga eo amin’ny toerana nirifana mafy ka nanaovana izay fomba rehetra na ratsy aza hahazoana azy, tsy ny fiadanan’ny kamo ka miandry mahazo toy ny fasana; fa araka ny Baiboly dia fahafenoan’ny fiainana, fanomezana tsara indrindra omen’i Mesia antsika olombelona ka tsy azo raha tsy ao amin’Izy Jesoa irery ihany, araka ny filazan’i Masindahy Joany, mpanoratra Evanjely azy. Efa nomen’i Jesoa sy navelany ho antsika io fiadanana io kanefa mila katsahina mandrakariva ho azontsika sy iainantsika. Tsy ho azo io fiadanana io raha tsy miombona aminy tanteraka isika. Tsapa ohatra rehefa avy mikonfesy sy manao Komonio tsara isika, ao koa amin’ireny isika mandray sakramenta isan-tsokajiny ireny.
“Tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo” hoy i Jesoa, izany hoe: fiadanana manodoka, mandalo ka tsy maharitra. Matetika amin’ireny ny fiadanan’ny vatana sy ny nofo fotsiny fa tsy tonga hatramin’ny fanahintsika ka miserana ihany. Araka izany, tsy fiadanan’izao tontolo izao mihitsy fa ilay avy amin’Izy Kristy maty fa nitsangan-ko velona. Koa rehefa mahazo fiadanana isika dia ho afa-tahotra aman-tebiteby eo amin’ny fiainana.
Misy koa Aban’ny Eglizy milaza fa Fanahy Masina io fiadanana lazain’i Jesoa eto io satria rehefa niakatra any an-danitra Izy naniraka ny Fanahiny ka mbola miasa ao amin’ny Eglizy mandraka ankehitriny io Fanahiny io. Koa hahazo fiadanana marina izay mihaino ny bitsik’io Fanahy io. Izany hoe ny fiainana ny fanilovan’ny Fanahy manampy antsika hahita ny fiadanana navelan’i Jesoa tamintsika. Efa nomeny antsika Izy fa anjarantsika kosa ny manatona mandray sy mihaino Azy. Tsy toy ny finday na solosaina akory io Fanahy io ka samy manana ny karazany: eo ny mora, eo ny lafo vidy, eo ny tsara eo ny ratsy, eo ny kely, eo ny lehibe; fa Fanahy iray ihany dia ny Fanahin’Izy Andriamanitra izany, Ilay Fanahy fifankatiavan’ny Ray sy ny Zanaka, raisina amin’ny Sakramenta isan-karazany, Ilay Fanahin’Andriamanitra te honina amintsika. Koa italahoy mandrakariva io Fiadanana avy aminy io ho ety amintsika hatrany.