27 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao,
dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Asehoy anay ny Ray, Tompoko
dia ampy ho anay izany.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo,
dia hotanterahiko izany.”