26 marsa 2024 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)

I Jesoa Kristy miara-misakafo amin’ny mpianany. Maneho ankarihary ilay fitiavana marina amin’ny alalan’ny fanoloran-tenany ho faty, fanekeny ny sitrapon’ny Ray. Fahafatesana hanomezany hery sy fiainana ho an’ireo mpianany. Abaribariny ny toetran’ireo apôstôly roa ambin’ny folo lahy nofidiny manokana, ary niriany hiaraka amin’ny hatrany antampon’ny Kalvery, hibanjina ny fanekena lavorary ny sitrapon’Andriamanitra. Ny anankiray hamadika azy, dia i Jodasy, tamin’ny vola telopolo. Ny iray niankina teo amin’ny tratrany, dia ilay mpianatra malala tsy nahasaraka azy hatramin’ny farany. Ary i Piera izay nosafidiany ho filohan’ireo apôstôly, nandà azy tao anatin’ny ny sarotra. Ireo singan’olona telo ireo dia mamaritra ny toetran’ireo olona tena mifankahazo am-po taminy, ary nitokasiny satria nosafidiny: ao ny tia tena, ao ny mora resy ary eo kosa ny manana finoana mafy orina.

Vita batemy isika, voafidy toy ireo apôstîly; impiry isika no efa nivadika taminy noho ny fitiavan-tena ka nanimba ny soa iombonana ho fikatsahana ny soa ho an’ny tena samirery? Ary impiry isika no efa nandà Azy, tsy sahy mijoro ka nitady malemy hanorenam-pangady? Efa mba nahatanteraka antsakany sy andavany ny sitrapon’Andriamanitra ve isika? Ireo toetra hita amin’ireo apôstôly ireo dia mamintina ny maha isika antsika tsirairay avy: misy haratsiana satria mpanonta isika, mandà sy mpivadika amin’Andriamanitra; misy hatsarana ao satria miezaka manatanteraka ny sitrapony. I Jesoa miteny fa “mahalala ny ondriko aho” (Jo 10, 27). Fantany mazava ny hery sy ny fahalemen’ireo mpianany, fa nofidiny ireo ary na dia nisy fahalemana àry dia tsy nariany teny an-dalana izy ireny. Midika izany fa na dia eo aza toetra maha olombelona, ny fitiavan’Andriamanitra miseho amin’ny antso miantefa amin’ny tsirairay dia eo alohantsika mandrakariva. Amin’Andriamanitra ny toetra maha olombelona antsika dia tsy manakana azy hiantso antsika hiara-miasa Aminy. “Tsy mivadika Andriamanitra rehefa miantso antsika” (1 Tes 5, 24). Mankahery antsika hanana herim-po izany mba tsy ho kivy na dia manana ny fetra àry, ka hamaly ara-potoana ny antso miantefa amintsika satria tsy miantso olona lavory i Jesoa fa ao anatin’ny famaliana ny antso no miezaka amin’ny fibebahana isan’andro, hikatsaka ny fahalavorarina izay tanjona tokana kendren’Andriamanitra amintsika: “Aoka ho masina toy ny Rainareo izay any an-danitra ianareo” (Mt 5, 48)

Ilay mpianatra malala niankina teo amin’ny tratran’i Jesoa, manambara fiankohofana sy fihainona lalina. Mitady ny sitrapon’ny mpampianatra izy ary manovo fitiavana ao aminy ho entiny manefa izany. Toy ny fihetsiky ny zaza miankina eo amin’ny tratran’ny ray aman-dreniny. Niraiki-po sady feno fahatokisana tanteraka. Maneho ohatra velona amin’ny tsy maintsy hiombonam-pianinana feno amin’i Jesoa. Ho tonga iray tena Aminy, ho fianakaviany sy ho mpiara-monina aminy. Irin’Andriamanitra isika hiraiki-po Aminy, tsy hanana fo mizarazara ka tsy hiankohoka amin’andriamanitra hafa, tiany koa isika hanana fitokisana azy, tsy hisalasala na hatahotra amin’ny fanarahan-dia azy fa ho tonga any antampon’ny Kalvery, hisedra ny fijaliany ary higoka ny vokatr’izany. Ohatra ho antsika io Mpianatra malalan’i Jesoa io, izany hoe tiany satria miombim-piainana aminy. Ka ny ataontsika araka izany dia mitady ny fomba rehetra ahafahana miombona amin’i Kristy ka hiraiki-po sy hatoky Azy tanteraka. Ka ny lalana ahafahana mandavorary izany amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra dia ny vavaka. Mazotoa mivavaka fa io no mariky ny maha kristianina antsika voalohany indrindra; “Tsiokan’ny finoana” hoy Papa François, ary aina mamelona ny tsirairay sy ny fianakaviana. Ka raha olona iray no tsy tia vavaka dia toy ny lahan-jiro efa ho faty izy, mirehitra fa tsy afaka manaza; izany hoe ny maha olona azy no tsy mipetraka intsony. Amin’ny alalan’ny vavaka ihany no ahafahana miaraka amin’Andriamanitra tsy tapaka, hanovozana hery ho entina manohitra ny fahotana izay fositra manimba ny faniriantsika hiombom-piainana amin’i Jesoa. Hoy indrindra Izy hoe: “Mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny tevan’ny fakam-panahy ianareo”.

Maneho amintsika àry i Jesoa, fa amin’ny maha olombelona dia manana ny toetrantsika isika. Tsy izany no fepetra mety hifidianany na tsia, fa ny maha isika antsika manontolo. Miantso izay tiany izy ary tsy miova amin’izany fa matoky ary miandradra fibebahana amin’ny tsirairay. Miezaha hiankiana eo amin’ny tratrany toy ilay mpianatra malala, hiray aina Aminy amin’ny alalan’ny vavaka, ho babon’ny fitiavany ka tsy hivadika na hisalasala amin’ny fanarahan-dia Azy, ka ho afaka hamonjy ny tena ary ny hafa. Izany hoe hahatanteraka ny sitrapony eo amin’ny tenantsika, dia ny famonjena ary ny hiara-miasa Aminy ho fanitarana ny fanjakany ny olon-drehetra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...