20 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
Ry mpihaino hajaina, androany 20 marsa, dia mampiseho amintsika ny tenin’Andriamanitra fa mandindona manakaiky ny andro hahafatesan’i Jesoa, fotoana hahatanterahan’ny asam-pamonjena. Nambarany mazava fa: “mitady hamono ahy ianareo ankehitriny dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany”. Mirehareha fatratra ireto Jody nino an’i Jesoa ireto fa taranak’i Abrahama izy ireo, izany hoe tsy taranaky ny mpanompo, tsy avy amin’i Agara, tsy zanaky ny mpanompo, tsy nanompo na iza na iza. Izany toe-tsaina izany koa mbola mety miseho amintsika ankehitriny. Ny fomba fiteny malagasy dia milaza fa ratsy tarehy mila vady ka ny anaran-dray no enti-mila.
Tsy afaka hamonjy antsika ny firazanana na ny fiaviana. Ny antoka afaka mamonjy antsika dia tsy misy hafa afa-tsy ny tenin’i Jesoa hoe mila mankato ny tenin’Andriamanitra ary ny fanatanterahana ny teniny dia afaka hahalalana ny marina ary ny marina no haha olona afaka. Ny fankatoavana ny teniny dia tsy iombonana amin’iza na iza fa manokana, ary tahaka izany ihany koa ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Noho izany ny maha kristianina dia antso manokana miantefa amin’ny tsirairay, izay nohamafisina tamin’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batemy, fa tsy avy amin’ny fiaviana na ny firazanana. Noho izany ny mahavoavonjy sy ny maha olona afaka dia ny finoana sy ny fifandraisana manokana amin’i Jesoa.
Nampahatsiahivin’i Jesoa àry, fa ny tena olona afaka dia olona tsy voagejan’ny fahotana, tsy andevozin’ny ratsy, tsy mpanompon’ny ota. Tsy ara-nofo intsony ny maha mpanompo, tsy misy intsony ny Jody na ny Jentily fa samy mety ho tonga zanak’Andriamanitra daholo rahefa mino sy mandray an’i Jesoa ilay irak’Andriamanitra ka mankato ny teniny. Naverin’i Jesoa fa raha zanak’i Abrahama ianareo dia hanao ny asan’i Abrahama. Izany hoe ny tena zanak’i Abrahama dia maka tahaka azy. Maka tahaka azy amin’ny finoana. Mino an’Andriamanitra Ray ka nanatanteraka tsy misy tomika izay nolazainy. Izany no andrasan’i Jesoa amintsika, ny mba hino Azy, tsy hisalasala isika fa Izy dia avy amin’Andriamanitra ary Izy Andriamanitra no naniraka Azy. Io finoana io no hany tokana mahavoavonjy sy maha olona afaka. Io no naha Rain’ny mpino an’i Abrahama ary mbola io finoana io ihany koa no neken’i Jesoa, nanaiky nirahin’ny Ray ary nanambara izay hitany tao aminy.
Hifarana ny karemy, efa manakaiky ny fankalazana ny Paka, ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa no antoka maha olona afaka sy maha tena zanak’Andriamanitra antsika, ary antoka amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay. Ny tsy fankatoavana ny teniny dia midika fitoerana ao amin’ny fahotana. Ary rahefa ny Zanaka no manafaka dia ho olona afaka isika. Iza ary no hifikitra amin’ny hazo boboka? Isika kosa hifikitra amin’ilay hazofijalian’i Kristy, antoky ny famonjena ny olombelona rehetra.
Ry Ray ô, sarotra ny mino an’ilay Zanakao voaetry teo amin’ny hazofijaliana, izay mino sy mankato ny teniny anefa no hahalala ny marina sy ho olona afaka. Ampitomboy ny finoanay hakanay tahaka an’i Abrahama, ilay Rain’ny mpino. Amen.