8 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Ry kristianina havana! Ny fanontanian’ity mpanora-dalàna ity amin’i Jesoa dia fanontaniana te hahalala ny laharam-pahamehana tokony hatao fa raha ny marina dia isika miaina ny tena fitiavana dia fahatanterahan’ny didy ka tsy tokony misy kely sy lehibe ireo fa manan-danja eo amin’ny fiainantsika avokoa. Raha mamaly azy i Jesoa eto dia mamerina ny teny famerin’ny Jody amin’ny vavaka isa-maraina hoe mihainoa ry Israely. Isika rehetra no antsoina hihaino, hampiditra ao am-po, hitsakotsako ny fampianaran’i Jesoa ka hanatanteraka azy eo amin’ny fiainana. Averin’i Jesoa mihitsy eto ilay voalaza any amin’ny boky Deteronomy 6, 4 ary zarainy roa mazava tsara io didy io dia ny fitiavana an’Andriamanitra no voalohany ary ny olona no faharoa.

Ny fitiavana tokony hitiavantsika an’Andriamanitra ka asain’i Jesoa ataontsika eto dia tsy fitiavana an-tendro-molotra fotsiny fa isika manontolo vatana, saina, fanahy mihitsy no mitia azy (amin’ny fanahy, saina, vatana, hery rehetra hoy i Jesoa). Toy ity mpanora-dalàna ity àry dia aoka isika hanombatombana mandrakariva izay mety ezaka hataontsika indrindra amin’izao karemy izao ka ahafahantsika miroso lalindalina kokoa amin’ny fibebahana. Aoka tsy ho eo imolotra fotsiny ny fitiavantsika an’Andriamanitra fa isika manontolo mihitsy, moa misaina Azy isan’andro ve isika sa mbola ampahany na adino mihitsy aza izy rehefa miodinkodina eto amin’ity izao tontolo izao ity? Tia an’Andriamanitra isika fa izy irery ary tsy misy fangarony ve? Maro no milaza fa tia azy fa indraindray afangaro zavatra hafa. Izay ilay hoe raha vao mifoha isika dia manolotra ny andro amin’Andriamanitra ka raha tena vokatry ny fontsika tokoa izany dia tanterahantsika io valin-teny omen’i Jesoa io hoe isika manontolo vatana, saina, fo, fanahy, hery rehetra no mitia an’Andriamanitra dia ho lavorary isika.

Ny faharoa izay mitovy amin’ny voalohany ihany hoy i Jesoa satria dia mbola fitiavana ihany koa dia ny fitiavana ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Io no tapany faharoa amin’ny didin’Andriamanitra manomboka eo amin’ny fahefatra izay mahasahana antsika olombelona manontolo. Didy iray no nangatahan’ity mpanora-dalàna ity tamin’i Jesoa fa roa kosa no nomen’i Jesoa azy ary roa mamintina ny folo. Eo amin’io fitiavana ny namana io dia maro ny fampianarana omen’i Jesoa antsika fa matoa izy miteny hoe mitovy amin’ny voalohany ihany dia tena amin’ny fo sy fanahy ary amin’ny saina rehetra ve no hitiavantsika ny olona rehetra manodidina antsika sa sao dia sanatria fihatsaram-belatsihy fotsiny. Na ilay voalazana ao amin’ny boky Levitika 19, 18 aza tsy tateratsika akory. Mila mandeha lavitra isika amin’ity fitava-namana ity fa tsy mihanona amin’ny endrika ivelany fotsiny. Raha misy mangataka aminao ny lambanao hoy i Jesoa dia omeo azy hatramin’ny fitafianao. Tiavo toy ny tenanao ny olona rehetra izany hoe ataovy tahaka ny tenanao mihitsy izy, amin’izay isika tsy ho tia tena na oviana na oviana satria toetra ratsy izany. Raha tanterahantsika tokoa izany dia toy ilay mpanora-dalàna isika; tsy lavitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy lavitra fa tsy hoe efa ao anatiny, izany hoe mbola misy ezaka hafa fa tsy ireo ihany.

Jesoa Tompo ô! Tanjona tratrarin’ireo rehetra matahotra an’Andriamanitra ny Fanjakany. Ezaka goavana no miandry ireo rehetra maniry ho any koa ampio izahay tsy hionona fotsiny amin’ny fitandremana ny didy fa hiezaka hitady ny fomba rehetra mifanaraka ny sitraponao hahamendrika anay ho any. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...