5 marsa 2024 — Talata, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

Ry kristianina havana! Mety misy antony maro no mahatonga an’i Piera nanatona an’i Jesoa nametraka io fanontaniana io. Mahakasika ny indrafo moa no avoitran’ny Evanjely amintsika eto, ary fotoanan’izany izao ka hanasan’ny Eglizy antsika amin’izao karemy izao, ny higoka izany amin’ny endriny maro na isika no hamindrana fo na isika no mamindra fo tahaka azy Raintsika mpamindra fo. Nisy olona nanao hadisoana tamin’i Piera ve? Sa izy no nanao zavatra tsy nety matetika tamin’ny namany? Sa finiavana te ahafantatra ny tokony hatao manoloana ny “situation” tahaka izany? Misarika ny saintsika handinika lalina ny fiainantsika tokoa ny Evanjely satria zavamisy amin’ny fiainantsika ity mahatery an’i Piera, misolo tena antsika te hahalala ny marina momba ny famindram-po ity. Any amin’ny fiaraha-monina misy antsika any, iza ireo tena mampijaly antsika matetika? Iza no tena mananosarotra anao ny mifandray aminy ka mahatonga disadisa lava, izay mitaky izany famindram-po tsy misy fetra aminao izany? Ny antsika ange matetika tsy mahatratra io isa fito nolazain’i Piera io akory aza e! Efa mba naka “marge” i Piera teto naka ny isa fito izay midika isa masina sy fahafenoana, izany hoe mba hahafeno ny famindram-po tokony hatao, kanefa tsy mbola izay no faratampony raha ny fanoharana nentin’i Jesoa namaly azy. Ny famindram-po no resahina dia tsy inona fa fitiavana no ambarany ary tsy misy fetra raha ny valin-teny nolazain’i Jesoa an’i Piera eto, ary mialoha ny hilazany ny fanoharana dia ny Fanjakan’ny lanitra no anoharany azy satria ny fanjakan’ny lanitra dia fanjakan’ny fitiavana. Anisan’ny olana maha rava tokantrano maro indrindra ireo vita mariazy aza ankehitriny izany famerantsika olombelona ny indrafo atao izany.

Raha io fanoharana nataon’i Jesoa io ary no raisina ka oharina amin’ny zavamisy iainana ankehitriny dia volabe tsy hita noanoa ilay talenta iray alina eo anatrehan’ny denie zato, kanefa dia nafonin’ilay tompony noho ny fangorahany sy ny famindram-pony. Ny tena famindram-po dia fahafoizana zavatra lehibe ary izany no hita ao amin’ny Ray naniraka an’i Jesoa ho famonjena antsika. Ny Zanany mihitsy no nafoiny, ny Zanany izay mbola lehibe sy mihoatra lavitra ny talenta iray alina. Be fitiavana Andriamanitra ka aminy tsy ny habetsahana na hakelezan’ny fahotantsika izay midika ho toy ny trosa no hamelana na tsy hamelana, fa ny fony tia sy mangoraka ka mamindra fo mandrakariva ary tsy misy fetra. Matetika isika olombelona no mandanja io fitiavana sy famindram-po io amin’ny isa na lanja na hamaroana na hakelezana eo amin’ny zavamisy azo tsapain-tanana iainantsika andavanandro dia milaza fa be na kely famindram-po, na be na kely fitiavana koa aza. Mitovy daholo na ny nangalatra amanapitrisa na nangalatra ariary zato satria samy mangalatra daholo ary samy tsy azo itokisana daholo. Toy izay koa ny famindram-po. Aoka àry isika hahay hamindra fo toy ny Ray ary mampianatra antsika i Jesoa hanao toy izany.

Jesoa Tompo ô! Misaotra an’i Piera izahay nitari-dalana anay hitady ny tena marina ho entinay maneho fitiavana amin’ny alalan’ny indrafo. Fampianarana lehibe no nomenao anay koa enga anie tsy ataonay raraka an-tany fa hampiharinay tokoa eo amin’ny fiainana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...