19 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
Ity Masindahy Matio 25 ity dia mampahatsiahy antsika fa ny fitiavana no voalohany sady teny farany hitsarana antsika rahefa hiseho eo anatrehan’i Kristy isika amin’ny andro farany. Ny mazava, araky ny Evanjely teo, dia hoe: misy ny tsy afaka hiaraka, satria tsy iray fianakaviana, nitia ihany fa tsy araka ny sitrak’Andriamanitra, na koa tsy afaka hiaraka satria tsy mitovy fihaviana. Misy ireo nosoavin’ny Ray fa eo koa ireo voahozona.
Tompon’andraikitry ny tenany ny tsirairay, tompon’andraikitry ny fiainany ary tompon’andraikitry ny lalana nofidianany sy ny fomba nandehanany. Ka izay nanao ny tsara dia hahazo ny tsara, hahazo valisoa. Tsarovy fa ny zava-misy sy ny fiainana dia mametraka antsika hiasa sy haneho valiteny mazava tsara: hitia na tsy hitia; hanampy na tsy hivaky loha, handray na handroaka, hamoha varavarana na hanidy trano…
Aza adinoina koa fa isaky ny manao ny tsara isika dia tsy manampy ireo mila fanampianana amintsika fotsiny fa mamaly ny antso miantefa amintsika: maneho ny fitiavan’Andriamanitra voarotsaka ao am-pontsika, “Fitiavana”. Izay mandray ireo madinika sy mahantra dia mandray an’Andriamanitra, mandray an’i Kristy, Kristy nanaiky hitovy amin’ireo madinika sy farahidiny, Kristy miantso vonjy sy fanampianana avy amintsika. Mitoetra ao am-pon’ireo tsy manan-kantenaina sy fadiranovana Andriamanitra, fa indrindra eo anivon’ireo tra-pahoriana.
Ny tena fitiavana araka izany dia tsy hoe manao ny marina fotsiny, na maneho fiombonana sy fifandraisana; tsy misy dikany ireny, raha toa isika tsy afaka hamoky ny noana, tsy hanasitrana ny marary, tsy miaro ny kamboty sy ny mpitondratena, tsy mamangy ny gadra. Tsy mande ho azy ny fitiavana, satria, faniriana tsara sy asa atao. Ary ny fitiavana ihany no mitondra antsika hifandray amin’ireo mpiara-belona, hanao asa soa tsy mitaky valiny na hikendry tombontsoa manokana. Arakakaraka ny iainantsika ny fitiavana ao anatin’ny fahatsorana sy ny fahamarinana tokoa no hahatongantsika olombelona tsirairay avy hametra sy hanesotra ao am-pony ny fahatezerana sy ny fahankahalana, ary ialany ao antin’ny tontolo feno savorovoro. Ny tena fitiavana araka izany no mitondra ny tsirairay any amin’ny tontolo mahasambatra sy maneho ny maha olona.
Izao karemy izao no ianarana sy iainana ny tena fitiavana marina mba hampiombona fahasambarana tanteraka amin’Andriamanitra, rehefa ho avy amim-boninahitra izy.