17 febroary 2024 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)
Tsy manavaka olona i Jesoa rehefa miantso, eny hatramin’izay heverina ho faran’izay ratsy sy mpanota aza, toy ny hitantsika amin’ity Evanjely teo ity, dia ny niantsoany an’i Levi teo ampamorian-ketra. Fa nodioviny sy nohavaoziny tamin’ny fampianarany rehefa niaraka taminy. Tonga hiantso ny mpanota hibebaka i Jesoa. Noho izany afaka mihavao sy miova rehefa manaiky an’i Jesoa sy manara-dia Azy. Teny tokana ihany no nolazain’i Jesoa rehefa niantso an’i Levi Izy, dia nafoiny ny zavatra rehetra ka lasa nanara-dia Azy. Tsy nampaniona azy ny esoeson-teny sy ny fanaratsiana fataon’ny olona aminy ary ny fitsaratsaran’ny fiaraha-monina azy. Fa naharesy lahatra azy i Jesoa ka tonga dia narahiny. Tsy ankinina amin’ny hafa akory ny mamaly ny antso fa isika sy Ilay niantso ihany, dia i Jesoa izany. Mila mahafoy ny rehetra na izay ananana na ny olona rehefa manara-dia an’i Jesoa mba tsy ho voafatopatotra atsy sy aroa, na havana na fananana, na sakaiza, sy ny maro hafa. Mialoha lalana izany rehetra izany ny fahafoizan-tena. Modely ho antsika amin’izany i Levi eto: “Nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy”. Mitsangana eto midika fahavononana handeha: Tsy nipetraka izy fa nitsangana ary lasa nanaraka Azy. Izany koa no takina amintsika izay manara-dia Azy.
Izao koa anefa: “Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi”. Midika izany fa rehefa lasa any dia tsy hoe tsy raharahiana intsony ny any an-trano. Tokony ho tsarovana ihany fa tsy natao hamatotra fotsiny. Ny fanasana hisakafo midika ho fiombonana aina. Lasa iray aina, mifanapaka aina amin’i Jesoa izay nantsoiny. Mifampizara ny manta sy ny masaka hoy ny fitenintsika. Fanehoana fiombonana ny fiaraha-misakafo. Ka rehefa tsy misy fotoana iarahana misakafo ao an-trano dia manomboka tafiditra ny ratsy ka tsy mahagaga raha mikorontana izany fianakaviana izany. Misy mantsy revo amin’ny zavatra hafa ka manao tsinontsinona ny fiombonana. Eo koa ny hoe: samy tonga eo ihany ny rehetra fa samy maka ho azy noho ny findainy, na amin’ny fotoanan’ny sakafo aza. Tsy hoe ratsy avokoa akory ny finday fa ny fampiasana azy amin’ny tsy izy no tian-kambara eto: manalavitra ny mifanakaiky fa mampifanakaiky ny alavitra.
Etsy andanin’izany, manaiky hiray petsapetsa amintsika i Jesoa afa-tsy ny fahotana matoa nanaiky ny fanasana nataon’i Levi taminy, na fantany aza ny fitsaratsaran’ny fiaraha-monina azy. Tsarovy mandrakariva fa ny mpanota tian’i Jesoa foana fa halany kosa ny fahotana. Tsy manilikilika izany Izy fa mandray ny rehetra. Izany no ataon’ny Eglizin’i Kristy ankehitriny. Tiany aza isika hiala amin’ny fahotana mahazatra antsika ka hiombona tanteraka aminy, raha mibebaka marina tokoa. Teo anatrehan’izany nataon’i Jesoa izany dia “nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna”. Hay efa hatramin’izany no nisy ny toe-javatra ohatran’izany ka mandraka ankehitriny, ka Farisianina sy mpanora-dalàna amin’ny endriny vaovao izay mimonomonona amin’ny ataon’ny Eglizin’i Kristy. Rehefa azo tsara sy iainana ity lazain’i Jesoa ity dia hazava amintsika izany: “Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka”. Koa aza mihevi-tena ho marina foana isika fa meteza ho mpanota mila fibebahana.