12 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)

Eto am-piandohana dia tsara ny manamarika fa azo atao tsara ny mifampiresaka amin’Andriamanitra, toy ny nataon’ireto Farisianina ireto izay niady hevitra tamin’i Jesoa. Fa ny azy ireo moa haka fanahy fa ny antsika kosa tsy tokony ho izany. Aoka ho resaky ny zoky sy zandry mifankatia, raha amin’Izy Ray kosa dia zanaka sy ray aman-dreny mifampiresaka ka tsy hifamandripandrika na hifampila kisa fa fifanakalozana tsara. Na efa fantatr’i Jesoa aza fa haka fanahy Azy no niadian’ireto Farisianina hevitra taminy ireto dia nihaino sy nandray ihany Izy. Isika tsy toy izany fa zandriny, iray tampo aminy, rantsam-batany aza, noho ny Batemintsika, ka tsy ho henoiny ve rehefa hiresaka aminy! Aza maka fanahy an’Andriamanitra izany, tahaka ny nataon’ireto Farisianina ireto izay mody nangataka famantarana avy any an-danitra. Mampisento an’i Jesoa izy ireo amin’izany ka tandremo sao manao toy izany isika. Betsaka ny akantsika fanahy Azy Andriamanitra, toa antsika tsy mivavaka raha tsy misy tombontsoa, ohatra amin’ny alalan’ny Sakramenta ka matahotra tsy hataon-dry mompera ny Batemy dia mody mivavaka aloha, mody mirotsaka filan-kevitra mba hisy hihinana ny vola ka tezitra vao hoe tsy anjaran’ny presidents izany, sy ireny mody, mody ataontsika any amin’ny Eglizy ireny. Aoka ialantsika izany fa tsy mety sady mamohehatra. Isika samy isika aza moa tsy mety raha mifampaka fanahy; mainka amin’Andriamanitra! Mahalala ny ao am-po tsy miloaka Izy ka tsy tokony halaina fanahy. “Ny tany no tsy asian-dratsy: Andriamanitra no atahorana”, araka ny fitenintsika.

Fanampin’izany, “manatsafa toa mpaka afo” ireto Farisianina ireto, mitaky “famantarana avy any an-danitra taminy”. Izy anefa efa famantaram-pamonjena lehibe, fa tsy te handray izany ry zareo hany ka tsy nomen’i Jesoa izay nangatahany. Fangatahana diso fipetraka ny azy ka tsy nahazo valiny, ka tandremo koa sao tratran’izany isika rehefa miresaka amin’i Jesoa amin’ny alalan’ny vavaka. Tsy mahay mangataka fa ratsy fangataka ka miala maina. Misy koa aza moa terena hanaraka ny sitrapon’ny tena Andriamanitra, izany hoe mandidy alohany ka mibontsina orina sy lava molotra rehefa tsy mivaly. Mahaiza mangataka fa hamaly antsika foana Izy, mila miharitra indraindray. Ilay nanao ny sofina va ho be marenina? Raha mahasoa antsika ho ekeny foana izany.

Fa tena ratsy ny iharan’ity namaranana ny Evanjely teo ity: “Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny am-pita.” Ilaozan’i Jesoa isika raha ratsy fangataka ka manjary lasan’olon-kafa ny fahasoavana tokony ho antsika. Izay ilaozan’i Jesoa eo amin’ny fiainana no ho fadiranovana indrindra amin’ny fiainana. Zava-doza izany, ka tandremo. Raha mbola mety koa, sy raha mbola azo atao ihany dia aza manary fahasoavana izany sao iharan’ny hoe: “Ny antenaina tsy azo, ny an-tanana votsotra” ka ho loza amin’izay! Aza mahavoa antsika anie ny toy izany.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...