5 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Fomba fitoriana Vaovao Mahafaly hafa kely no asehon’i Jesoa Kristy antsika anio: mitety tanàna izy sy ny mpianany; tsy miteny sady tsy mivolana fa manasitrana kosa izay olona manana aretina sy fahasembanana mihaona aminy. Amin’ny alalan’ny fihetsika no itoriany amin’ireo olona ireo fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Asaina hampitombo bebe kokoa ny fihetsika mendrika isika eo am-panatontosana ny asam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny toerana izay anirahan’Andriamanitra antsika, fa ireo no mora hitan’ny olona avy hatrany ka manosika azy ireo hino bebe kokoa an’Andriamanitra.

Fomba hafakely ihany koa no anehoan’ny olona ny finoana satria amin’ny alalan’ny fikasihana an’i Jesoa dia efa ahatsapany fahasitranana sy ahitany fahagagana. Io faniriana te hifampikasokasoka amin’i Jesoa io no angatahana mandrakariva amintsika kristianina hananana. Fa faniriana mila arahana finoana ihany koa fa hitera-bokatsoa eo amin’ny fiainantsika sy fiainan’ny ankohonana sy ny fiaraha-monina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...