27 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)
“Ry mpampianatra ô, tsy mampaninona anao va raha maty izahay? Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?” Hariva ny andro dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa hoe: andeha isika ho eny an-dafin-drano. Ary i Jesoa natory teo amin’ny sisin’ny sambokely tambonin’ny ondana. Nanomboka nitsoka rivotra ary nanoja ny ranomasina, natahotra ireto niaraka tamin’i Jesoa ireto. Nofohaziny i Jesoa ary nilazan’ireo: Tsy mampaninona anao ve raha maty izahay? Matetika koa isika rehetra no tratra mitovy amin’ireto apôstôly ireto rehefa tojo fahasarotana, matahotra isika ary midradradradra miantso vonjy. Ary matetika ny ataontsika dia tsy miezaka mikaroka inona ary antony nahatonga izao, fa ny manao vavaka lavareny avy hatrany, amin’izay fotoana izay isika dia mihevitra fa arakaraky ny hamaroan’ny teny lazaintsika no hiainoana antsika (Mt 6, 7), ary hivaha malaky ny olana mianjady amintsika. Izay no mahamaika fa ny adinontsika dia ny manontany hoe inona àry no sitrapon’Andriamanitra amin’izao, tsy hoe ratsy ny mamokovoko manao vavaka lavareny sao mba miova hevitra Andriamanitra, fa tsara kokoa ny mikaroka mandrakariva izay sitrapony amintsika. Izany no mampitombo ny finoantsika.
Fa raha tsy miezaka mamatatra sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainana isika dia ho fatra-pisalasala sy tsy hanam-pitokisana ny herin’i Kristy, tahaka ireo apôstôly ireo, ka mety hiantsampy amin’ny herin-javatra hafa mba hiarovan-tena ka hanalavirana ny tena finoana, na mety ho very finoana mihitsy aza.
Angatahontsika amin’izy Tompo ny fahasoavana hanandramana isan’andro ny hatsaram-pony sy ny fitiavany tia hamonjy antsika isan’andro. Ao aminy ny hery afaka manavotra antsika.