22 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Andro vitsitsy izay isika no noheno ny asa nantaony i Jesoa: nanasitrana taminy andro sabata sy ny sisa. Ary teo am-pahitana ireny fomba fiasan’i Jesoa ireny ny olona no samy nanonontany tena hoe “iza ity lehilahy ity”. Ny sasany aza moa dia nihevitra an’i Jesoa hoe: “very saina”. Ny mpanora-dalàna ihany koa dia nanome ny heviny mikasika an’i Jesoa: ho azy ireo dia hoe: azon’i Belzeboba izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony. Mafy anefa ny valin-tenin’i Jesoa: hanam-pahotana mandrakizay izay miteny ratsy ny Fanahy Masina. Inona ary ilay fahotana miteny ratsy Fanahy Masina? Ilay mitsipaka fitiavan’Andriamanitra hamonjy ny olona rehetra.

Ka hoy Jesoa namaly hoe tsy haharitra ny fanjakan’i Satana satria hiady an-trano. Ataon’i Satana ahoana no handroaka an’i Satana. Mazava fa ny asan’i Satana kosa miady mba handovan’ny olona ny fahafatesana, mandrava, manimba, tsy vonona hifanampy, hifanavotra, ka tsy haharitra ny fanjakany. Ka mpiray ombona antoka amin’ny demony izay manao zavatra hamotika ny aina na hanakana azy tsy hivelatra mba hahasambatra ny olona. Eto i Jesoa dia te hanambara sy hanamafy fa ny hany fikasany sy faniriny dia miady mba hananan’ny olona ny hafenoan’ny aina. Ary na dia sabata aza ny andro dia ny famonjena ny aina no ambony ho an’i Jesoa. Ary tena mpianatr’i Jesoa marina tokoa ary mahafantatra azy izay miara-miasa aminy amin’ny famonjena ny olona: dia ny manome hanina ny noana, mampisotro rano ny mangetaheta, ny mampitafy ny miboridana ary mamangy sy mampiantrano ny mahantra sy ny marary mbamin’ny tsy manan-kialofana.

Ary miara-miasa amin’i Satana ireo manampikasana hanimba sy hanakana izay mitady hampanjaka ny rariny sy hampivelatra ny maha olona. Mbola isika ankehitriny manana ny toe-tsain’ny mpanora-dalàna sy Farisianina, tsy te hampivelatra ny maha olona, tsy te hanompo mba hiadanan’ny vahoaka. Satria matetika manko ny tena fivelaran’ny olona dia manala ampaham-pahefana hifikiran’ireo mitady voninahitra sy tombontsoa ho an’ny tenany samy irery. Ka izay manana toe-tsaina toy izany dia tsy mandray ny Evanjelin’i Jesoa ho asan’ny Fanahy Masina. Ka raha mitsipaka ny soa atao hivelarany maha olona isika dia mbola mitoetra ao anatin’ny ota ary ho tonga fandoto, ho zary sakana amin’ny fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mangataha àry isika amin’ny Fanahy Masina, hiombona aminy mandrakariva amin’ny fandavorariana tanterahiny eto amin’izao tontolo izao. Ka ho afaka hamongotra ao am-pontsika izay mety ho fialonana na avonavona mety hahatonga antsika ho fanetry, ka tsy hahafahana miditra amin’ny hafenoan’ny Fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...