21 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)

“Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”, mitory ny fanjakan’Andriamanitra i Jesoa. Ary niantso olona hiara-miasa sy hiara-dalana amin’ny fanataterahana izany asa izany. Ny fitorina ny fibebahana sy ny finoana ny Vaovao Mahafaly dia asa roa tsy afa-misaraka, ny fibebahana dia miatomboka amin’ny finoana ny Evanjely sy ny finoana an’i Jesoa. Ary ny tena hasongadina dia ny hoe manan-danja ho antsika olombelona ny fibebahana ary tsy maintsy tanterahana haingana. Ny fanarahan-dia an’i Kristy dia miatomboka amin’ny fibebahana, fahavonona hamela ny tsy mety teo aloha ka handray ny Vaovao Mahafaly notoriny amintsika.

Ka anisan’ny takin’i Jesoa amintsika ny fo vonona handray sy hiaina ny teniny, ny fahavononana hisaraka amin’ny lasa. Takin’i Kristy amintsika amin’izay te hanara-dia azy mantsy ny fahasahiana manapaka ny fifandraisana amin’ny lasa sy ny fahaiza-manapakevitra haingana hanara-dia azy tsy amim-pisalasalana. Tsy azo ampiarahana manko ny fanoloran-tena hanara-dia an’i Kristy sy ny fifikirana amin’ny lasa. Ny fahavononana hanara-dia an’i Jesoa tsy am-pisalasalana dia midika ho finoana lehibe hoe afa-mamonjy antsika izy. Ny fanarahan-dia an’i Kristy dia fanombohana fiainam-baovao. Fahafoizana zavatra maro samihafa no dikan’izany. Hoy i Masindahy Paoly hoe : “na iza na iza ao amin’i Kristy dia voaary vaovao izy, lasa ny zavatra taloha ary indro tonga vaovao zavatra rehetra.” (2 Kor 5, 17)

Mifampivavaha àry isika kristianina rehetra mba hanana fo malalaka, vonona hanaraka amim-pitokiana an’i Kristy tokoa isika, ka hifikitra tanteraka aminy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...