14 desambra 2023 — Alakamisy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)

“Indro Aho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo” (Mal 3, 23). Izany teny voalazan’i Malakia mpaminany izany no efa milaza amintsika fa alohan’ny hahatongavan’i Kristy, Ilay Mesia, Mpaminany dia tsy maintsy tonga aloha i Elia. I Joany Batista no ilay Elia voalaza eto satria izy no nanatanteraka ny faminaniana farany nataon’i Malakia. Manamafy izany moa i Jesoa ao amin’i Mt 17, 11: “Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia, ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony”. Miresaka momba azy indrindra àry i Jesoa eto. Tenenin’i Jesoa ny maha lehibe azy sy ny fahamboniany izay noraisiny ho ohatra ampitahaina amin’ny fanjakan’ny lanitra. Raha atao amin’ny teny hafa ny tian’i Jesoa ho lazaina dia izao: Lehibe i Joany fa lehibe lavitra noho izy ny fahazoana ny fanjakan’ny lanitra. Izany hoe ny tena zava-dehibe dia ny mahazo ny fanjakan’ny lanitra. Ka ny hevitr’ity tenin’i Jesoa ity dia izao: na dia kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra aza isika, dia lehibe kokoa noho i Joany satria isika anisan’ny fanjakan’ny lanitra; dia izay maha anisan’ny fanjakan’ny lanitra antsika izay no maha lehibe antsika; izany hoe efa ao anatin’ny fanjakan’ny lanitra isika, efa nandray an’i Kristy sy itoerany ary efa miaraka amin’Andriamanitra saingy mbola tsy lavorary. Fa i Joany kosa amin’ny maha mpialoha làlana an’i Jesoa azy dia nijanona teo an-tokonan’ny fanjakan’ny lanitra, teo am-baravarana fotsiny. Dia izay no mahakely azy. Izany tenin’i Jesoa izany dia mampiavaka vanim-potoana anankiroa teo amin’ny asan’Andriamanitra. Entiny hilazana amintsika fa izao vanim-potoana diavintsika izao, izay vaninandron’ny fanjakan’ny lanitra dia mihoatra lavitra, lehibe lavitra noho ny vanim-potoana rehetra teo alohany izay nanomanana azy. Ny lalàna sy ny mpaminany dia fiomanana fa ny miaraka amin’i Kristy, andron’ny fanjakan’ny lanitra no tena tanjona, indrindra ilay fiainan-ko avy rahatrizay. Dia hoy i Jesoa manazava izay vanim-potoana roa lehibe izay: “Ny lalàna sy ny Mpaminany no niroso hatramin’i Joany, fa hatramin’i Joany no makaty kosa dia ny fanjakan’Andriamanitra no torìna, ka samy mikezaka hiditra ao ny olona” (Lk 16, 16).

Mitaky ezaka lehibe amintsika noho izany ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no atao amin’izany? Dia hoy i Jesoa eto hoe: mila manao an-kery. Mety izany ho famolahan-tena mafy dia mafy; ka raha tsy atao an-kery izany dia tsy vita. Mety izany ho fanaovana sorona ny aina; izany hoe misolo vaika ny ankalana noho ny fiarovana ny ain’ny hafa, an-kery ihany koa izany vao vita. Ary mety izany ho fanoherana ny fanjakazakan’ny demony sy ireo olon-dratsy mpiray tsikombakomba aminy eto an-tany, ka mihambo hifehy ny fanjakan’izao tontolo izao sy hisakana ny fiitaran’ny fanjakan’Andriamanitra; sarotra ny manohitra izany raha tsy atao an-kery sy raha tsy mahery isika: na mahery ara-batana fa indrindra mahery ara-panahy. Koa tsy ilaina ao anatin’izany ny hakiviana. Noho izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tsy natao ho an’ny olona kamo sy kanosa. Toy izany ny fomba ahazoana ny fanjakan’ny lanitra; koa miaraha mandrakariva àry amin’Andriamanitra mba hahery isika. Fa tsy mivatravatra fiavy akory ny fanjakan’ny lanitra fa mahery fiasa sy fiantraika kosa satria velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra anambarana azy sy ny Fanahy Masina mahatonga nofo azy; ka izany no ilàna antsika hahery miaraka aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...