7 desambra 2023 — Alakamisy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)

Nampiavaka ny mpianatra eo imason’ny vahoaka no sady antoka hidirana any amin’ny fanjakan’Andriamanitra no votoatin’ny fampianaran’i Jesoa anio. Tsy teny atao, tsy fahalalana ara-tsaina atao tsianjery, fa asa sy fampiharana amin’ny fiainana andavanandro. “Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra.”

Ny sitra-pon’ny Ray, dia tsy inona, fa izay rehetra nambarany antsika, izay rehetra nampianariny, izany hoe: ny Teniny. Ny Teniny izay mirakitra ny famonjena antsika olombelona sy manoro antsika ny lalana hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Adidintsika, maniry hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra noho izany, ny mandalina hatrany ny Soratra Masina, mandalina izay rehetra nambaran’Andriamanitra momba ny famonjena antsika, mandinika ihany koa ny fomba niainan’ireo talohantsika, efa sambatra sy tafita any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, noho izy ireo tsy namela ny tenin’Andriamanitra notoriana taminy ho toy “ny rano atondraka an-damosin’ny ganagana”, fa nampihatra sy niaina azy tanteraka, nanao ny tenin’Andriamanitra teo amin’ny tenany ho tarigetram-piainana. Izany hoe: nanao izay hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tao aminy sy teo amin’izay nanirahana azy.

Matetika ny Tenin’Andriamanitra, alaina ho fiarovan-tena fotsiny ho antsika, fa tsy iainana, indraindray apetraka ho soratra hita maso fa tsy ezahana mba ho tarigetram-piainana. Tenin’i Kristy, amintsika ny tsy hamela ny Tenin’Andriamanitra ho teny manaitra fotsiny fa asiana akony eo amin’ny tena sy ny atao. Tsarovy anefa fa maro fahavalo ny teny, maro mpanohana tsy hahatafita azy, tsy hahatanteraka azy. Eo anatrehan’izany no hanafaran’i Kristy antsika mba ho mafy orina, handray sy handatsaka azy lalina ao am-po, mba tsy ho voahozongozona. Ilana faharetana ity fiainana ny Tenin’Andriamanitra ity, ka tsy maintsy manao izay hahalalim-paka azy isika, mila miady koa amin’ireo sakantsakana isan-karazany tsy hahatanteraka Azy.

Angataho Andriamanitra, hamonto ny Teniny ny fontsika, hananantsika fo nofo, hahaizantsika koa manova ireo tsy araka azy Andriamanitra, hahatanteraka ny tenin’i Kristy ao amin’ny Masindahy Marka (Mk 4, 1-20), hoe: “Sambatra ireo mitana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoha amin’ny faharetany”. Indrindra amin’izao fiomanantsika amin’ny fahatongavana ho nofo ny Teniny izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...