Zoma 13 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46 — Toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

0 : 00

Eo am-pampianarana ao an-Tempoly any Jerosalema i Jesoa eto no miady hevitra amin'ireo lohandohan'ny Mpisorona sy ny loholon'ny Farisianina noho izy ireo tsy nino azy. Oharin'i Jesoa amin'ny voaloboka eto ny Jody. Ohariny amin'ny mpanompo kosa ny Mpaminany ary ohariny amin'ny Zanaka dia Izy tenany ihany. Ireo mpiasa hafa dia ny jentily. Misarika ny sain'izy ireo i Jesoa eto mba hibebahany haingana, nefa vao mainka fihetsika hafa indray no hasetrin'izy ireo izany. Dia izany tokoa ny fiainan'ny olombelona ! Saro-tiavina tahaka ny hao ka izy lohalohavina indray no manaikitra. Maharitra anefa Andriamanitra, ary manao sorona ny tenany Izy mba ho fanavotana ny maro. Koa ny Zanany Lahitokana, dia Izy Kristy, ilay tiany indrindra no nirahiny ho fanatanterahana ny tarigetrany. "Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro".

Koa tsy ho an'ny Farisianina na ny lohandohan'ny Mpisorona ihany eto no hanomezan'i Kristy ity fanoharana ity, fa ho antsika, izay nilazana kanefa tsy mino, tsy matoky azy. Fotoanan'ny fibebahana, fotoanan'ny fiovan-dalana izao Karemy izao. Koa meteza àry mba hanaraka an'i Kristy ary hanatona azy, ilay vonjintsika sy famonjena izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...