3 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — ao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1-6)

Miditra misakafo ao an-tranona Farisianina iray i Jesoa, ny Farisianina izay antokon’olona mifanandrina aminy matetika noho ny fandavan’izy ireo ny fomba vaovao entin’i Jesoa. Fa tsy mahasakana an’i Jesoa tsy handroso sy hiray latabatra, hiray vatsy hiray aina aminy izany satria ny olona rehetra no tian’i Jesoa vonjena; tsy mba manao an-dolompo ny fifandonana Izy fa mamelatra sy manatsotra tanana ary manokatra ny fony hidiran’ny olona. Manao soa sy mamonjy amin’ny fotoana rehetra.

Andro masina ny sabata ho an’ny Jody, andro fitsaharana ka voafetra ny asa azo atao sy ny halaviran-dalana azo aleha ary ny lanjan’entana azo entina. Ho an’i Jesoa kosa tsy misy andro fady ny famonjena; na ny sabata aza andron’ny Tompo, andron’ny Mpamonjy dia androm-pamonjena izany, androm-panafahana. Ny biby aza ve vonjena raha misy tranga mihatra aman’aina, mainka fa olombelona.

Te hiantrano ao amintsika i Jesoa, te hiray donak’afo hiray dinidinika, te hiray vatsy hiray aina ary te hanavao antsika, te hanasitrana antsika. Ampiantranoy ao am-pontsika izy. Raiso Izy ho Mpamonjy antsika isan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...