Alarobia 11 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28 — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Ny Karemy araka ny efa fantatsika dia mariky ny fiakarana ho any Jerosalema izay lalana nalehan'i Kristy. Lalaln'ny Hazofijaliana, tandindon'ny fanompoana ny hafa, tsiambaratelon'ny fiainan'i Kristy. Tiany ampahafantarina ny mpianany izany tsiambaratelony izany eto mba hampandraisany anjara azy ireo. Ny zava-misy anefa dia tsy fantatr'izy ireo izay tiany hambara ka zavatra hafa no nangatahin-dreniny ho azy. Ny fiarahana amin'ny Kristy ho eo ankavanany sy ho eo ankaviany dia ny ho mpanompo tahaka azy. Fanompoana ny namana fa tsy fitadiavan-tseza na voninahitra velively ary fahafoizana ny aina ho fanavotana ny maro.

Matetika ny faniriantsika olombelna dia fitadiavana fahafinaretana fotsiny sy izay mahafinaritra eto ivelany. "Tsy fantatrareo izay angatahanareo", hoy i Kristy, satria tsy mifanaraka amin'ny hafatra omeny ny fanirian'ity renin-janak'i Zebede ity. "Raha ny hipetra eo ankavanako sy eo ankaviako, hoy i Kristy,  dia tsy ahy no hanome anareo izany fa homena izay nanamboaran'ny Raiko azy". Fakam-panahy misy eny anivon'ny fiaraha-monina eny tokoa ny manandra-tena hotompoina, ary hiadiana mihitsy aza ny toerana amin'izany. Mazava ny hafatr'i Kristy fa ny fanompoana azy no lalan-tokana ahazoana voninahitra mba ho fanavotana ny maro. Karemy ny andro, manana fandavan-tena mba hanompoana ny hafa dia ho mendrika ho anao ny fanjakan'ny lanitra izay homanin'i Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...