23 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 13-21)

Ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona amin’ny firaiketam-po tafahoatra amin’ny haren’ity tany ity. Mihoatra ny hasambarana rehetra ny fanatenana hahita an’Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina ny hoe mahita dia mahazo no heviny. Izay mahita an’Andriamanitra dia mahazo ny soa rehetra. Saingy amin’ny andavanandrom-piainana dia tsy izay loatra no miseho. Zava-poana dia zava-poana hoy ny mpitory teny (Mpitory 1, 2-23). Zava-poana izay nisasarana raha tsy ho fanorenana izay maharitra mandrakizay, izay hamafisin’i Masindahy Paoly amin’ny taratasiny hoe katsaho ny zavatry ny lanitra (Kol 3, 1-11). Izany fikatsahana ny zavatry ny lanitra izany anefa dia tsy mamela antsika hipetra-potsiny fa hisiki-ponitra hiady amin’ny ratsy.

Miankina amin’izay heverin’ny tsirairay ho harena anefa, ilay olona nangataka tamin’i Jesoa ho vavolombelona amin’ny fizarana ny lova dia manambara amintsika ny toe-tsaina mety mahazo antsika koa indraindray, izany hoe manao an’i Kristy sy ny Fiangonany ho antom-pivelomana na mihevitra azy ho mpitsara hamaly soa ary hanafay ny mpangalatra sy ny ratsy fanahy, tsy mpizara lova izy fa tetezana mampifandray antsika amin’ny Ray amin’ny lova iombonana aminy ka mapiombona amintsika samy isika ihany koa. Ny Papa koa dia toy izany satria izy no mampiombona antsika amin’ny fitiavan’i Kristy.

Ny te hanana misimisy kokoa noho ny hafa no mahamay indraindray, soa ihany fa tsy miankina amin’izay fananany ny ain’ny olona hoy i Jesoa, mety ho fiononana ho an’ny mahantra izany na tsy mahafoana ny fijaliana vokatry ny tsy fisiana aza. Ambaran’ny Evanjely mazava anefa fa ny harena eo amin’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay, ny vavaka raha atao araka ny tena izy dia tokony mampirona mandrakariva ny saina amam-panahy amin’ny fikatsahana ny haren’ny lanitra na dia miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza. Ny lova no manambatra ny taranaka ka raha adino ny fitiavan’ny ray aman-dreny nihaviana izay nihary azy dia hanjary fototry ny ady ny zara-lova.

Ho an’i Abrahama nino an’Andriamanitra dia namela an’i Lota hisafidy ny anjara lova tiany (Jen 13, 1-12). Fantantsika anefa fa ny tany lemaka nosafidian’i Lota no nivadika ho Gomora nolevonin’ny afo. Ampahatsiahivin’ny Salamo 89 isika hahay hampirona ny fo ho amin’ny fahendrena. Mbola zarina amin’ny fitodihana amin’ny hafa ve ny zaza ankehitriny ka rehefa misy fizarana zavatra dia ny fitsinjovana ny ao aoriana sao tsy mahazo ny hafa. Fanabeazana tokony ho voizina eo anivon’ny fiaraha-monina izany fifampitsinjovana izany, ary tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny kristianina, toa zary nofy anefa ny harem-panahin’ny Ntaolo nilaza fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana, indrisy fa ny vola no maha rangahy, ka te ho rangahy ny ankamaroany dia hadino fa ny rangahy koa dia mety iharan’ny fahafatesana dia ho an’iza ary izay novoriany.

Hifampitondra am-bavaka isika mba hahaizantsika mandanjalanja ny fampiasana ny haren’ny tany fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana, ireo no tonga rakitra mandrakizay araka ny Salamo 126, rakitra maharitra ho lova any amin’ny mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...