18 ôktôbra 2023 — Masindahy Lioka, Evanjelista — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)

Ry mpihaino hajaina, mankalaza an’i Masindahy Lioka mpanoratra ny Evanjely fahatelo isika anio. Olona manam-pahaizana Izy, ankoatra ny maha dokotera azy dia mpanao sary hoso-doko koa izy. “Dokotera malala” no niantsoan’i Masindahy Paoly azy (Kol 4, 14). Izy koa no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly. Izy no mitantara ny niandohan’i Jesoa hatramin’ny naha-torontoronina Azy. Izy no maneho ny hatsaram-pon’i Kristy sy ny fangorahany ny mpanota mibebaka.

Ny Soratra Masina zaraina amintsika anio àry, dia manambara fa tsy ny Apôstôly roa ambin’ny folo irery no nirahan’i Jesoa, fa nisy hafa roa amby fitopolo. Nirahan’i Jesoa tsiroaroa izy ireo. Iraka fa tsy tompony. Ary Izy Andriamanitra no efa mialoha lalana sy miandry amin’ny toerana anirahany. Satria ny asa fanirahana dia tsy antsika fa azy ka tsy misy mety antony hiavonavonantsika. Tsy tanterahana samirery koa fa iombonana ka fotoana ianarana miara-miasa amin’ny hafa. Ho mpirahalahy mianala no hanatanteraka ny iraka, tsy amin’ny herin’ny tena samirery fa hatoky amin’ny fifanampiana, indrindra hijoro ho vavolombelona amin’ny fifankatiavana amin’ny maha-mpirahalahy. Ny tena aloha no tsy maintsy vonton’ny Evanjely vao afaka mizara azy.

Ny Vaovao Mahafaly torìna dia tanteraka sy hita amin’izay fitondrana fiadanana sy famonjena ho an’ny hafa, fa indrindra ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra. Ny fanjakan’Andriamanitra izay tsy lavitra fa ao anatintsika dia tsy inona fa ny fitiavana, fiadanana ary ny fahamarinana. Tsy mora ny mitory izany fa tandindomin-doza mandrakariva. “Indro aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia”. Efa fantatr’Andriamanitra ny loza atrehintsika, fa izay mihitsy no nanirahany, hahatonga ny amboadia ho zanak’ondry, hahatonga ny mpanota amin’ny fibebahana. Ao anatin’izay fahasarotana izay mihitsy no tian’Andriamanitra aseho amintsika mba tsy hiantehitra amin’ny herintsika, fa hiezaka hatoky ilay naniraka. “Be ny vokatra fa ny mpinjinja no vitsy koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany”. Hisy ny fahasarotana fa eo indrindra no tsy maintsy hahatsiaro ny fifandraisana amin’ilay naniraka isan’andro.

Ao anatin’ny olana koa isika no mahita hevi-baovao mandrakariva, ary ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy miala amin’ireo nirahiny fa indrindra ho an’ireo tsy mikatsaka ny tombontsoa ho an’ny tenany. Hamafiso mandrakariva àry ny vavaka amin’izay rehetra atao.

Ry Ray ô, matoky ny fahasoavanao izahay amin’ireo asa fanirahana anirahanao anay, satria anao izy ireo fa tsy anay fa izahay dia fitaovana ihany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...