Alakamisy 19 desambra 2019 - Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 5-25.
Ankatoky ny fiomanana ny fankalazana ny Noely isika, andro fahafito mialoha. Tarihin'ny Enjely handinika ny fahaterahan'i Joany Batista, mpialoha làlana ny Mesia, izay maneho ny herin'Andriamanitra sy ny fahefany manoloana ny fetra sy ny toetra maha olombelona antsika.

0 : 00

Ny fanasongadinana ny taonan'ny ray aman-drenin'i Joany Batista dia maneho ny fetra maha olombelona fa mampisokatra ny fontsika ihany koa amin'Andriamanitra mba hisehoan'ny heriny. Fa tsy hisy tsy ho hain'Andriamanitra hatao ho an'izay mino sy matoky Azy. Ka na dia efa tao anatin'ny fahanterana aza izy ireo, naharitra tamin'ny finoana sy ny fanompoana an'Andriamanitra, dia nohenoim-bavaka ka tera-dahy.

 Tandindona ihany anefa eto ny fahaterahan'i Joany Batista fa ao amin'i Kristy, tonga nofo nohon'ny herin'ny Fanahy Masina tao ankibon'i Maria Virjiny no miharihary ny fahefan'Andriamanitra sy ny heriny.

Nambaran'ny Evanjely teo fa samy marina teo imason'Andriamanitra i Zakaria sy i Elizabeta na teo anatrehan'ireo didy na manoloana ny Tenin'ny Tompo. Toetra maneho finoana sy fitokisana an'Andriamanitra mba handraisana ny famonjena avy Aminy. Fa hatsaram-panahy ho antsika ihany koa eo anatrehan'Andriamanitra, hanantenantsika ny fitiavany sy haharetantsika amin'ny finoana.

Fianarana ho antsika indrindra àry izay niainan'i Zakaria sy Elizabeta, ray aman-drenin'i Joany Batista, mba hisehoan'ny herin'Andriamanitra sy ny asany. Koa mahareta manompo an'Andriamanitra ary tsarovy mandrakariva ny tenin'ny Anjely tamin'i Zakaria hoe: "Aza matahotra fa efa nohenoin'ny Tompo ny fangatahanao".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...