9 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)
Tamin’izany andro izany,
nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:
“Tompo ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna
ary ahoana no famakinao azy?”
Ary namaly izy ka nanao hoe:
“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy ny fanahinao rehetra,
sy ny herinao rehetra,
ary ny sainao rehetra,
ary ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Marina ny navalinao,
manaova izany dia ho velona ianao.”
Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Iza àry no namako?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nisy lehilahy anankiray
nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao,
azon’ny jiolahy,
ka nendahany ny lambany,
nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany.
Dia nisy kosa mpisorona anankiray
nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo,
nahita azy, nefa nandalo ihany.
Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny
tonga teo aminy,
ka nangoraka nony nahita azy.
Nanatona azy izy,
dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy,
vao nampitaingina azy ny soavaliny,
sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy.
Nony ampitso,
dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano,
ary nataony hoe:‘Tsaboy izy,
ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny,
dia honerako rahefa miverina aho.’Iza amin’izy telo lahy
no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?”
Dia hoy ilay mpampiana-dalàna:
“Ilay niantra azy.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mandehana àry ka manaova toy izany koa.”