6 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)

Ry kristianina havana! Mitohy ny hafatrafatra apetrak’i Jesoa amin’ireo olona nofidiany ka nirahiny tsiroaroa, ary mbola tohizantsika mandraka anketriny, dia isika izay apôstôlin’izao taonjato diavintsika izao. Eto dia miantefa indrindra indray amin’ireo anirahana ny tenin’i Jesoa na ireo mandray na hivantanan’ireny iraka ireny. Marihina moa fa manohy ny efa nataon’i Jesoa ireo iraka ireo. Nambaran’i Jesoa amin’ireo irahiny omaly fa raha tsy mandray ireo iraka ireo ny olona dia ahintsana ny vovoka amin’ny tongotr’izy ireo hiampanga azy amin’ny farandro. Tsy ny olona rehetra tokoa no mandray an’ireny iraka ireny, fa misy tokoa ireo tsy mandray ary sahy manilika na mandà ankitsirano tsotra izao ny fandraisana azy ireny na ny fidirany any amin’izy ireo. Maro moa ireo sehatra hiantefan’izany iraka izany ary mety hiseho amin’ny endriny maro koa izany tsy fahavononana handray ireo iraka ireo izany. Efa mafimafy ny tenin’i Jesoa omaly ho an’ireny tsy mety mandray ireny ny amin’ny hoe ho moramora kokoa ny atao amin’i Sôdôma sy Gômôra noho ny atao amin’izany trano na tanàna tsy mandray izany amin’ny farandro. Fa vao mainka mafimafy kokoa aza ity fitenenany mafy an’i Kôrôzaina sy Betsaïda ity.

Malaelo mafy loatra i Jesoa fa maro ny fampianarana, ny fahagagana, ny fahasoavana netiny ho an’ireo tanàna ireo fa tsy niova izy, tsy nibebaka. Indraindray tokoa rey olona dia difotry ny fiainana, ny fahasarotan’ny fiainana, ny fitadiavana isan-karazany, ny rendrarendra sy ny rivo-baovao entin’ny fandrosoana eo amin’izao tontolo izao isika, dia adino ilay tena maha isika antsika, dia ny anaran’i Kristy entintsika. Hany ka na tokony hanana risi-po sy finiavana handray ireny iraka ireny sy hafatra entiny aza dia toa foana ao anatintsika ao. Toa adino izany rehetra izany, eny fa na ny mivavaka aza. Etsy an-daniny koa ilay mbola fahazarantsika mijery ny maha olona fotsiny fa tsy mijery ny maha iraka azy. Izany rehetra izany no manakana ny fahasoavana tokony hiditra amintsika ka mahatonga an’i Jesoa miteny mafy eto. Manampy antsika tokoa ve ny vavaka ataontsika? Maninteraka ny fo amam-panahintsika ve ny Tenin’Andriamanitra afafy amintsika isan’andro ka manampy antsika tokoa hanova ny fiainantsika? Iainantsika ve ireny sakramenta raisintsika ireny ka mamporisika antsika hiezaka ho masina? Aoka àry isika handini-tena mandrakariva ka tsy hanamafy fo, fa hiaino mandrakariva ny Teny sy ny fampianarana ary ny fahasoavana omena antsika isan’andro ary handray ny fanomezan’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireny iraka madinika alefany any amintsika ireny.

Jesoa Tompo ô! Arotsahy ao aminay ny Fanahy Masina hanenika ny fiainanay ka ireo fanomezana fito avy Aminy anie, hananany fo malefaka ka hiala amin’ny hamafisam-po sy fihatsaram-belatsihy ka handray ny fahsoavana rehetra omenao anay mba ho antoka ho an’ny famonjena anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...